Fiaraha-monina

Fikambanana Fivama : Hofanina ho sahy hiteny imasom-bahoaka ny vehivavy

Andiany faharoa ny hetsika fanofanana amin’ny fahasahiana mandray fitenenana imasom-bahoaka na ny « art oratoire » nataon’ny Fikamba­nan’ny vaiavy Mandritsara mi­laranivahitra eto Antanana­rivo. Nitombo ny mpandray anjara satria an-jatony ireo liana raha nanodidina ny 67 izany tamin’ny taon-dasa. Hahafahana misokatra amin’ny sehatra maro ny fahaiza-miteny imasom-bahoaka. Tombony hoentina amin’ny fiainana, hananana fahatokisan-tena […]

Fahasalamana: Mbola misy ireo mararin’ ny bilarziozy

Manao fanairana sy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mbola misy, isan-taona, ny olona mararin’ny bilarziozy sy ny kankan-tsinay eto Madagasikara, ka tsy tokony ho variana. Fadiana tanteraka ny milomano anaty rano miandrona itoeran’ny kankampisaka izay mahatonga ny bilarziozy. Tsy tokony hihinana sakafo maloto na misakafo amin’ny tanana tsy voasasa fa […]

Raisina an-tanana eny amin’ny akany: 80 isan-taona ny zaza arian’ny fiarahamonina

Niverina an-tanindrazana, omaly, Razanajafy Florentine, filohan’ny fikambanana Tao rehefa avy nihanika ny tendrombohitra Kilimandjaro nandritra ny fito andro. Anisan’ny feo nentiny ny tokony hampiharana ny lalàna fanohanana amin’ny fomba rehetra ireo vehivavy niharan’ny herisetra sy ny famelana malalaka ny vehivavy hisafidy momba ny vatany. Eny amin’ny akany no raisina an-tanana […]

Fanamaitsoana ny tontolo : Namboly zana-kazo ny Fivoi

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka sy teny Masikamalona, distri­kan’Arivonimamo, ny antoko politika Fivoi sy ny fikambanana Fivoarana, ny sabotsy teo. Nahatratra 15000 isa fototra ireo zana-kazo novolena teny an-toerana. Nahitana karazan-kazo maro toy ny kininina sy ny kesika izany. Tanjona ny hanamaitsoana an’i Madaga­sikara mba ho lasa Nosy maitso indray. “Miainga […]

INDRAY MIJERY

Momba ny tatitra mahakasika ny valanaretina Mpox eto amintsika ho an’ny 23 janoary, misy tranga ahina vaovao 16 sy tranga voamarina 16 izay niseho tany Mahajanga avokoa ireo voamarina. Voalazan’ny profesora Mamy Randria fa mahatratra 449 ny tranga rehetra hatramin’ny 23 janoary. 289 no ahina raha 160 no voamarina. Ny […]