Fiaraha-monina

Fikambanana ACNAA : hanohana ny tanora sy hanamora ny fikarohana

Najoro tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ankatso, omaly, ny Association des chercheurs nationaux des astrophysiques et astronomies (ACNAA). Ho fampahafantarana ny lalam-piofanana mahakasika ny astronomie eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, izay ao anatin’ny fakiolten’ny Sian­sa, ny antony. Tanjon’ny fi­kambanana, araka izany, ny hanohana ireo tanora malagasy sy hanamora ny fikarohana mahakasika izany. Amin’ny […]

EPP Ivato Tanàna : nofanina hahay hanavaka fako ny ankizy

Notanterahina teny amin’ny EPP Ivato, omaly, ny fanolorana ireo fitaovana fanavahana ny karazana fako ho an’ity sekoly ity. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “Concours fresque” notanterahin’ny fikambanana Maeva no nahazoana ny fitaovana. Beazina hanavaka ny fako maina mety potika, toy ny taratasy sy gazety, kahie rovitra, baoritra… ny ankizy. Atokana toerana ihany […]

INDRAY MIJERY

Nidina an-dalambe sy nandoro kodiarana teo akaikin’ny CEG Nanisana ireo mpandroaka fako eo an­ivon’ny Samva, omaly tolakandro. Anton’izany ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny karama. Vokany, nikorontana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tonga nanatsahatra ny hetsika ireo mpitandro filaminana ny hariva. Nilamina ny teny an-toerana taorian’izay. Nisy ny atrikasa mahakasika ny […]

Hanatsarana ny rafitra fanairana mialoha : nanolotra fitaovana ny BNGRC ny UNFPA

Efa manana ivontoerana mikirakira ny fanangonam-baovao eny ifotony mandritra ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC. Tanjona ny hanangana Centre multimédias manatsara ny asa mifandraika amin’ny serasera sy fizarana vaovao marim-pototra. Hampiasaina ao anatin’io ivontoerana io ny fitaovana momba ny teknolojia vaovao natolotry ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba […]