Andrianjafy Stenny no zaza teraka voalohany ny taona 2026, tao amin’ny Maternité Befelatanana tamin’ny 1 ora sy 57 minitra maraina. Zazavavikely milanja 3 kg izy ary teraka tsy nodidiany ny reniny. Nizotra tsara tsy nisy olana ny fiterahana, araka ny fanazavan’ny mpampivelona. Zana-dRazanakoto Françoise Victorine izy. Mipetraka eny amin’ny kaominina […]
Fiaraha-monina
Fiparitahan’ny Mpox: Misy ny fitsirihana ataon’ny minisitera
Tafakatra 16 ny trangana Mpox voamarina ao Mahajanga hatramin’ny faran’ny taona. Azo tsaboina ny aretina, azo sorohina ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny minisitera. Manoloana ny fihanaky ny Mpox, nisy ny fivoriana maika sy famelabelarana ofisialy momba ny nendran-drajako teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voalaza fa olana ara-pahasalamana maneran-tany izy […]
Niady mivady: raim-pianakaviana maty teny amoron-dranomasina
Hita faty teo am-bodihazo iray, teny amoron-dranomasina ampitan’ny tetezana mankany amin’ny Hopitaly Be, ny alin’ny zoma 26 desambra hifoha ny sabotsy teo, ny raim-pianakaviana iray. Hita nitsitra efa tsy nisy aina intsony niaraka tamin’ny fitaovana mbola teny aminy izy. Mpanjono hafa handeha handriaka maraina no nahita ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io […]
Nendran-gidro: nahitana trangan’aretina dimy tany Mahajanga
Nahitana trangan’aretina nendran-gidro, (Mpox : Variole de singe), miisa dimy tany Mahajanga, omaly, raha ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Taorian’ny fitiliana ny tranga nataon’ny Laboratoire des analyses médicales de Madagascar (LA2M) sy ny Institut pasteur de Madagascar, ny 29 desambra 2025 lasa teo. Tao amin’ny fokontany Ambovoalanana, distrikan’i Mahajanga I, […]
Kaominina Ivato: fianakaviana marefo 850 nizarana PPN
Ho fiatrehana ny faran’ny taona sy fitsenana ny taom-baovao 2026, nahatsiaro manokana ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny kaominina Ivato ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, Randrianarisoa Penjy. Fianakaviana miisa 850, avy amin’ny fokontany 13 (K1 hatramin’ny K7, Ivato Aéroport, Ilaivola, Ankadindravola, Tanambao, Mandrosoa, Ambodirano) no nizarana vatsy ho fiatrehan’izy ireo ny […]





