Mitondra fanazavana ho an’ny olona mankeny amin’ny laboratoaran’ny hopitaly ny profesora Razanakolona Mialy, lehiben’ny sampandraharahan’ny laboratoara microbiologie, parasitologie et mycologie ao amin’ny CHU JRA. Ao amin’ny rihana voalohany no misy ity sampandraharaha ity. Mizara roa ny andrikitra: ny fitiliana sy ny fampiofanana. Mizara telo ny otrikaretina tilina ka anisan’izany ny […]
Fiaraha-monina
Faritra avo eto Antananarivo: trano 1 490 tafo tandindomin-doza
Mandry tsy lavoloha ny mponina eny amin’ny faritra avà amin’izao orana mateti-piavy izao. Mandindona azy ireo ny mety ho fianjeran’ny vatobe handrava ny tanàna lalovany. Tokantrano 1 490 no tandindomin-doza. Namoaka filazana maika ny BNGRC, omaly, fa trano miisa 1 490 tafo no tandindomin-doza amin’ny mety ho fianjeran’ny vatobe maromaro. […]
Fetin’ny Krismasy: fito ny maty teo anivon’ny HJRA
Tafakatra fito ireo olona maty teo anivon’ny hopitaly HJRA nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely (24 sy 25 desambra) lasa teo, raha ny tatitra voaray, omaly. Iray hafa, faty avy any ivelany nahiditra teny an-toerana. Telo tamin’ireo ny olona namoy ny ainy teo anivon’ny sampandraharaha famelomana aina ny 24 sy […]
Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo
Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho vatsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo […]
METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika
Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao. Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo. Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, […]





