Fotoan’ny zaikabe sy fivahinianana masina izao. Eo indrindra koa ny fotoam-pialantsasatra sy ny fandehanana manao famadihana. Misarika ny sain’ny rehetra ny tomponandraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia mba samy hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ary ny lamina hiarahana amin’ny sampandraharaha samihafa. Tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika manokana avokoa ireo […]
Fiaraha-monina
Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana, omaly
Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina tsy diso ny fanadinam-panjakana bakalorea, omaly. Nizotra am-pilaminana, araka izany, ny fiatrehan’ireo mpiadina izany. Nanomboka omaly ny fanadinam-panjakana bakalorea manerana an’i Madagasikara. Mahatratra 218 359 ireo mpiadina miatrika izany. Mitsinjara amin’ny foibem-pampianarana 413 sy efitrano fanalana fanadinana miisa 6 410. Nisantatra ny taranja […]
INDRAY MIJERY
Manomboka androany ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. 218 359 ireo mpiadina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanao ny ezaka rehetra hampizotra tsara ny fanadinana ny tomponandraikitra. Tsy tokony hanadino ny taratasy fiantsoana sy ny karatra famantarana ho mpiadina ireo mpianatra, isan’andro. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fampiofanana […]
Anosisoa Ambohimanarina: nisitraka fitsaboana maimaimpoana ireo sahirana
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Anosisoa Ambohimanarina, ny hetsika ara-tsosialy notanterahin’ny fikambanana Fa-mamiratra sy ny Lion’s Club Farimbona ary ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fitsaboana maimaimpoana sy fanolorana sakafo ara-pahasalamana no hita nandritra izany. Hetsika efa fanaon’ireto fikambanana ireto izy ity. Tanjona ny […]
Fahasalamana: 24 000 ireo zaza noforaina
Mitotaly 24 000 ireo zazalahy voafora tao anatin’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ny fanjakana, manerana ny Nosy. Misokatra maimaimpoana amin’izany ireo tobim-pahasalamana rehetra, araka ny toromarika nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola mitohy ny hetsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ireo kojakoja sy ny saran’ny famorana izay miakatra isan-taona. Tena lafo ny […]