Nahoraka fa amin’izao vaninandro fety izao no fanaovana trafik’Andramena any amin’ny Morontsiaraka, manamorona ny ranomasimbe Indianina. Nanome vahana ny “honohono” ny fanambaran’ny kolonely Gervais Andriamiarisoa, tany sambava, ny 21 novambra teo. Nilaza izy fa hojerena ny fomba ahafahana manondrana izany anatin’ny ara-dalàna sy mangarahara. Manamafy fa tsy liana amin’ izany […]
Fiaraha-monina
Lakandranon’i Mozambika: arahi-maso ny mety ho fiforonana rivodoza
Noely anaty orana! Raha ny vinavina anatin’ny 5 andro, hahazo vahana ny hamandoana noho ny rotsakorana. Ahina ny ho fiforonan’ny rivodoza. Nilaza ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro ny Meteo malagasy. Nambaran’izy ireo fa raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ireo maridrefy amin’ny morontsik’i Mozambika dia misy tambolon-drivotra […]
Lycée Saint Jean Baptiste: mankalaza ny faha-90 taona niorenany
Mankalaza ny faha-90 taona niorenany ny Lycée katolika Saint Jean Baptiste Ambodivona Ambohitrimanjaka. Nosokafana ny zoma laza teo, tamin’ny alalan’ny Sorona masina teo anivon’ny fiangonana Fo Masin’i Jesoa Ambodivona ny lanonana ivon’ny fankalazana. Notarihin’ny Vikera jeneraly Randriamampandry Wagner. Nitohy tamin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa telo eo anivon’ny sekoly izany. Nahitana ny […]
CHU JRA: misokatra ny fitsaboana ny rantsam-batana
Nitondra fanazavana mahakasika ny fandraisana marary ao amin’ny sampandraharaha misahana ny orthopédie, tromatologie ao amin’ny CHU JRA ny profesora Rabemazava Alexandrio, dokotera mpandidy, manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana sy fandidiana ny rantsam-batana. Ao amin’ny rihana fahatelo no misy ity sampandraharaha ity. Mandray an-tanana, isan’andro, ireo aretina mila fandidiana mitranga amin’ny rantsam-batana. […]
Famatsiana rano: miezaka mamaha olana ny minisitera sy ny Jirama
Niara-nampahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatao ary ny olana atrehina ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano sy ny avy amin’ny Jirama. Nambaran’izy ireo fa anisan’ny olana atrehina ary efa nahitana vahaolana ny fahalotoan’ny rano tonga eny amin’ny mponina. « Efa nanao ny ezaka ny Jirama na teo aza izany […]





