Fiaraha-monina

Foara Torolalana ho an’ny tanora: fampahafantarana ny fiofanana teknika sy fanofanana arakasa

Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, amin’izao fotoana izao, ny Foara Torolalana ho an’ny tanora. Samy mahazo tombony ny mpianatra sy ny toeram-pampianarana. Nanomboka omaly, hifarana anio, ny hetsika Foara To­rolalana ho an’ ny tanora. Tan­terahina etsy amin’ny Kianja Barea ny hetsika. Ahitana tranoheva 20, misy ny ivontoeram-panofanana tantanin’ny fanjakana […]

Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga

Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]

Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana

Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]

IHSM- Oniversiten’i Toliara: azo havadika ho plastika levona ny lomotra

Miroborobo ny fikarohan’ny mpianatra ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), Oniversiten’i Toliara. Anisan’ny miavaka ny fitrandrahana ny lomotra. Anisan’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Institut halieutique et des sciences marines (IHSM), ao amin’ny oniversiten’i Toliara, izay ivontoerana tokana mampianatra sy manao fikarohana momba ny ranomasina eto Madaga­sikara, […]

Fiatrehana ny hamehana: miara-miasa ny BNGRC sy ny Jirama

Nandrindra ny asa ao anatin’ny hamehana ho fiatrehana sy fiomanana ireo vonjitaitra sy loza mety hitranga ny orinasa Jirama sy ny BNGRC. Voakasik’izany ny fanabeazana sy fanen­tanana ny mponina hanena ny trangana loza fanampiny amin’ny alalan’ny fitaizana sy fampahafantarana ireo fitan­dremana ilaina sy ny fihetsika tokony hatao manoloana ny toe-javatra […]