Fiaraha-monina

Fifanarahan’ i Maputo: hampivoatra ny zon’ny vehivavy ny fankatoavan’ny fanjakana

20 taona taorian’ny nanaovan’ny fanja­kana malagasy sonia ny fifanarahana tany Maputo momba ny zon’ny vehivavy, tsy mbola marisika hankato ny mpiton­dra noho ny andininy sasany manahi­rana azy. 21 taona amin’ity taona ity ny Fifanarahana mahakasika ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy antsoina koa […]

INDRAY MIJERY

Tongasoa any Sagam Inde i Mialy, mpitondra feo mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia am-pahendrena (Surf Smart). Izy no solontenan’ireo mpitondra feo eo amin’ ny Mpanazava mandritra ny fihaonana karakarain’ny AMGE. Sehatra hifampizaran’ny skoto zazavavy ny zava-misy sady hanovozana zava-baovao. 134 mianadahy ireo andiana tanora mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny sampam-pianarana […]

Fitsaboana nentim-paharazana : mangataka ny hanenjehana ireo mivaona

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Anosy ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasi­kara (ANTM), omaly. Fivoriana isan-taona, nandraisan’ny fikambanana 17 manerana ny faritra 24, eto amin’ny Nosy, anjara. Maro ny olona misandoka sy manao doka varotra ary manaratsy ny fitsaboana nentim-paharazana eto amin’ ny Nosy. Anisan’ny nangata­hin’izy ireo amin’ny fanjakana ny hampidirana azy […]

Lemak’Antananarivo : nisokatra ny fampidiran-drano

Vita tamin’ity herinandro ity ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fampidiran-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo, ho an’ny taom-pambolena 2024, notanterahina tetsy amin’ny canal GR Ilanivato. Laharam-pahamehana amin’ny fitondrana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ary ny Apipa ny fikojakojana ireo lakandrano vaventy rehetra mamakivaky an’Antananarivo sy ny manodidina, ahafahana mampikoriana […]

Fotoanan’ny ririnina : ireo toromarika ara-pahasalamana hiatrehana ny hatsiaka

Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny ririnina. Maro ireo torohevitra ho fiarovan-tena hiatrehana izany sy hananana hery fiarovana matanjaka. Manoloana ny ririnina mamirifiry, manome torohevitra hiatrehana ny hatsiaka ny CHUJRA ao amin’ny pejiny hananana faha­salamana tomombana. Fotoana mahabe ny are­tina ny hatsiaka. Mora miparitaka ny gripa sy sery, covid-19 sy ny […]