Nambaran’ny filohan’ny Oniversiten’i Barikadimy, Razanakolona Diny, fa fotodrafitrasa telo lehibe no hiatombohana ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa ao an-toerana. Misy ny atao birao sy efitrano fivoriana. Misy ny fampiofanana sy ivontoerana fikarohana ho an’ny doctorat sy HDR ho an’ny sampana “3D”. Nivoitra ireo tamin’ny zoma 19 desambra teo, fotoana nanambarany, […]
Fiaraha-monina
Tetikasa « Zara Mira » : Vita ny famindram-pitantanana
Natao omaly ny famindram-pitantanana momba ny tetikasa « Zara Mira » teo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Unicef. Manampy ny fanjakana malagasy amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo sokajin’olona marefo ny tetikasa. Anisan’izany ny zaza sy ny ankizy, ny reny bevohoka ary ireo olona manana fahasembanana. Iasana amin’ny tetikasa ireo faritra […]
Tetikasa Mamiratra: Ankizy 41 nahazo tohana ara-tsaina
Hofaranana eny Ivandry, anio, ny tetikasa « Mamiratra ». Nifarimbonan’ny fikambanana Cœur des bénévoles sy ny fikambanana Manampy mahatony ary ny fikamban’ny mpianatra momba ny psycho-social eny Ankatso (AE-PSI) ity hetsika ity. Anampiana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana miisa 41, anaty salan-taona 10 hatramin’ny 14 taona, mianatra ao amin’ny fikambanana Manampy […]
Orange Madagascar : Manohana ny tetikasam-pampandrosoana
Natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Madagascar, Gara Soarano, nandritra ny roa andro, ny 16 sy 17 novambtra teo, ny « Village Engage for Change » andiany faharoa. Hetsika nokarakarain’ny Orange Madagascar. Nisongadina ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa ataon’ny Orange sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho an’ny fiarahamonina sy ny toekarena ary ny tontolo iainana. […]
25 taona ny PSI Madagascar : Mpiasa 34 mianadahy nomena mari-boninahitra sy medaly
Sambany tao anatin’ny tantaran’ny PSI Madagascar no nisian’ny fankasitrahana mpiasa nahavita be teo amin’ny asa nampandraiketina azy. Notolorana mariboninahi-pirenena sy medaly ireo 34 mianadahy naharitra tamin’ny asany. Mpiasa nahavita be tao amin’ny PSI Madagasikara miisa 34 notolorana ny mariboninahi-pirenena sy ny medalin’ny asa, omaly, tetsy Ankorondrano. Voalohany tao anatin’ny tantaran’ny […]





