Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA dia nohatevenina ny fitaovana. Nisitraka seza misy kodiarana ny sampandraharaha miandraikitra ny fitsaboana ireo zaza mararin’ny homamiadana ao an-toerana. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fampiofanana omena ireo mpanentana eny ambony tambajotra sosialy ataon’ny fandaharanasa Impact, izay tanterahin’ny PSI […]

Faritra Atsinanana : hapetraka amin’ny sekoly 46 ny tolotra niomerika

Hapetraka eny anivon’ny sekoly rehetra ao anatin’ny faritra Atsinanana ny fikirakirana ny tolotra niomerika iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unité de gouvernance digitale (UGD). Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny fikirakirana ny tolotra sy fitaovana niomerika. Ma­nohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena, araka ny fanazavana azo. Hitondra […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina any amin’ny faritra Boeny ny atrikasa fanofanana ireo mpampiofana momba ny lalàna mifehy ny asa. Teknisianina 20 avy amin’ny faritra 6 no miatrika izany. Mbola andrasana eny anivon’ny HCC ilay volavolan-dalàna mahakasika ity lalàna mifehy ny asa ity ankehitriny. Tanjona ny hikatsahana ny tombontsoa iraisana amin’ny fampiroboroboana ny tontolo’ny […]

Fampianarana teny anglisy : ELTA, ivondronan’ny mpampianatra

Nampahafantatra ny fijoroany ara-dalàna ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy eto Madagasikara (ELTA), ny fiandohan’ny herinandro teo. Dingana lehibe iray ho an’ny fampianarana teny anglisy izao, hoy ny ma­soivoho amerikanina, Claire Pierangelo. Nankasitraka ireo mpampianatra teny anglisy manerana ny Nosy noho ny ezaka vitan’izy ireo ny tenany. Tanjona ny hiara-hametraka fototra […]