Fiaraha-monina

Fizaham-pahasalamana maimaimpoana : Vehivavy bevohoka anjatony nisitraka

Nisitraka fitiliana karazany maro, maimaimpoana, tetsy amin’ny CSB II Namontana, ireo vehivavy bevohoka miisa 150, avy amin’ny boriborintany fahefatra, ny talata sy omaly. Nikarakara ny hetsika ny Kao­minina Antananarivo Renivohi­tra. Maro ny tolotra hita teny an-toerana, toy ny fitialiana ny ho­mamiadan’ny nono, ny tsimokaretina VIH/Sida, diabeta, to­sidra sy ny maro […]

Taorian’ny Simex farany: Hivoaka ny paikady nohatsaraina

Taorian’ny fanazarantena lehibe voalohany (Simex) teny anivon’ny faritra 15, momba ny fiomanana sy ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza anatin’ny fotoam-pahavaratra, ny herinandro lasa teo, nijery ny lesoka mila fanarenana ha­natsarana ny paikady hiatrehana ny loza ny mpiantsehatra rehetra. Nahitana ny BNG RC sy ny mpiray ombon’ anto­ka ary […]

Vondrona Sodiat: Mahatratra 85 ireo kaonty nogiazana

Manoloana ny fanenjehana ny mpandraharahara Ravato­manga Mamy, tompon’ny vondron’orinasa Sodiat eto Mada­gasikara. Mahatratra 85 ireo kaonty any amin’ny banky, no­giazan’ny fanjakana malagasy, raha ny fanambarana nata­on’ny tomponandraikitra sy ny mpisolovava ny vondrona, omaly, tetsy Ivato. Mbola nogiazana ihany koa ny fiara 77, ahitana 4*4 marika Toyota Hilux Pick-up sy Sang […]

Andro iray ho an’ny fiantohana: Mbola vitsy ny Malagasy marisika amin’izany

“Mila fanentanana sy fanazavana misimisy kokoa”. Izay no nivoitra tamin’ny Andro natokana ho an’ny Fiantohana natao teny Ankatso, omaly. Hetsika niarahan’ny Fan­daharanasan’ny Fire­ne­na mikambana mom­ba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny Sampam-pianarana ambony momba ny toekarena, fitantanana sy ny hay fiarahamonina ary ireo mpisehatra amin’ny fiantohana eto Mada­ga­sikara ny Andron’ny fiantohana […]

INDRAY MIJERY

Manaitra ny rehetra ny Holafitry ny mpitsabo nify sy ativava fa tsy hifandovana ny fitsaboana fa tena mila ianarana aman-taona maro. Tsy hoe rehefa mpi­tsabo nify ny rainao ka nahita ny fanaony teo ianao dia lasa mpitsabo nify koa. Mitera-doza rehefa tsy niana­rana ny asa fitsaboana ary tena saro-pady. Nodinihina […]