Fiaraha-monina

Horonantsary mahakasika ny ankizy any Atsimo : nasongadina ny fiainan’ny olona manoloana ny tsy fisian-drano

Maro ny tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina any amin’ny faritra Atsimo. Manampy betsaka sy hanairana ny sain’ny rehetra eto amin’ny firenena ny namokarana ny horonantsary mahakasika izany. Nalefa tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny sa­botsy teo, ny horonantsary manasongadina ny tontolom-piainan’ny ankizy any amin’ny faritra Atsimo. Namo­katra sy […]

Jean Nirina R: « Tsy tokony hiandry fanjakana vao hiasa… »

Nifarana omaly ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra, andiany faharoa, tamin’ity taona ity. Naharitra efatra andro ny hetsika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo anivon’ny fokontany Anosizato Atsinanana. « Mbola misy ny lefakozatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahasalaman’ny ankizy », hoy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana, […]

Vovonana CommCare: hanamora ny angom-baovao mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana

Vovonana manokana ahitana ny vaovao mahakasika ny lafiny ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny CommCare. Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Ano­sy, ny fisian’ny vovonana antsoina hoe CommCare. Natao hanampiana sy hanamora ny fanangonam-baovao sy fanaovan’ny mpiantsehatra eny ifotony ny tatitra mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana. Mi­sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka […]

INDRAY MIJERY

Manokana vola mitentina 79 miliara dolara ny fanjakana. Maneran-tany 400 tapitrisa ny vohoka tsy iriana azo sorohina ary 1 tapitrisa ny isan’ny vehivavy ho avotra. Raha ampiana ny isan’ny mpampivelona mikarakara ny fahasalaman’ny vehivavy, 41% amin’ny fahafatesan’ny vehivavy ho voasoroka avokoa. Hahazo vahana ny varatraza, tombanana hitondra alondrano any amin’ny […]

Fampianarana ambony: Nahazo tablette 100 ny Mesupres

Nahazo tablette miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana sy ny fa­novana ny haitao ara-kajy mi­rindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fanatobiana niomerika ary tanjona ny fampiroboroboana ireo oniversite manakaiky vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny […]