Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Mamatsy fanafody sy lay misy odimoka ireo olona traboina any Mananjary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanome ny toromarika rehetra hamonjena ny olona farak’izay haingana ny fanjakana. Napetraka ny paikady rehetra amin’ny fanavotana ireo traboina sy fanarenana ny momba azy ireo haingana. Nanatanteraka fambolen-kazo teo Analakely ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny masoivohon’i […]

Firaisankina ho an’i Mananjary : Mifarimbona ny governemanta mamonjy voina

Nankahery ireo traboina vokatry ny haintrano niseho tany Mananjary ny iraky ny filoham-pirenena, nahitana ny minisitry ny Atitany sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Nijery ifotony ny zava-mitranga izy ireo ahafahana manao tombana amin’ny fanampiana maika tsy maintsy hoentina ho […]

Oniversiten’Itasy : Misokatra ny IOHI

Nosokafana tany amin’ny Oniversiten’Itasy ny Institut et observatoire hydro climatique de l’Itasy (IOHI), tamin’ity herinandro ity. Hifantoka amin’ny fikarohana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany amin’ny loharano, indrindra fa ny farihin’Itasy ny ivontoerana. Mampiasa fitaovana maoderina, toy ny télédétection, Internet des objets, modélisation ary Faharanitantsaina artifisialy ny IOHI mba […]

Homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza : Nahazo fatram-baksiny 547 070 i Madagasikara

Anisan’ny fisorohana mahomby amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza mpahazo ny vehivavy ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny HPV. Efa tonga eto amintsika ny fatram-baksiny hiarovana ny zatovovavy amin’ny hetsika fanaovam-baksiny nasionaly. Nahazo ny anjara vaksiny iarovana amin’ny HPV (Papillomavirus humain), mitarika ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza eo amin’ny vehivavy, i Madagasikara. Avy amin’ny […]

Sendikan’ny acm : Mangataka olona mendrika

Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikaly (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara, ACM. Nisongadina tao anatin’ity fanambarana ity ny fangatahana amin’ny andrimpanjakana ny mba hanendrena olona madio sy mendrika hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny Tale jeneralin’ny ACM. […]