Ny taranja Malagasy sy Science de la vie et de la terre no natrehin’ny mpiadina BEPC manerana ny Nosy, omaly tontolo andro. Miisa 299 130 ireo nisoratra anarana manerana ny faritra 23, hiparitaka amin’ny efitrano fanadinana 8 888 izy ireo, voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 1 079 isa. Mizara ho sokajy A sy B […]
Fiaraha-monina
Fisarihana nataon’ny Yoplait : Raim-pianakaviana lasa any Maorisy tampoka
Efa mpilalao amina karazana fisarihana Rafalimanana Haja Fetra, saingy tsy mbola nitsikian’ny vintana mihitsy hatramin’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tsy nampoiziny fa izy no tsara vintana voasarika tamin’ny lalao nataon’ny Yoplait ka nahazo ny fivahinianana any amin’ny Nosy Maorisy. “Tampoka tamiko ny fahazoako ny loka ka faly sahirana aho”, […]
Unicef; “Afapo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy”
Noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly, ny delegasiona avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Unicef, notronin’ny solontena maharitry ny Firenena mikambana miasa eto amintsika. Mahafa-po ny Unicef ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana malagasy eo amin’ny sehatra maro: fahasalamana, fanabeazana ary ny fiarovana ny zaza amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Marefo ny ankizy manoloana ireo, […]
INDRAY MIJERY
Misy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra fa ny maripana ambany indrindra dia tsy hisy fiovana fa mbola hangatsiaka hatrany. Eto Antananarivo 6°C – 22°C ny maripana raha hidina hatramin’ny 2°C ny ambany indrindra any Antsirabe. Momba ny toetry ny andro, ny tolakandro, handrahona mitsitokotoko any Ambatosoa sy Analanjirofo. Hibaliaka […]
“Tsenaben’ny tanora”: hahafahan’ny tanora mitady lalam-barotra
Hotanterahina ny 5 sy 6 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Tsenaben’ny tanora ». Foara karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hahafahan’ny tanora mitady lalam-barotra. Maro, araka ny nambaran’ny minisitra Ramonjavelo Valéry, ny fampiofanana nomena ireo Malagasy, tanora, manerana ny Nosy, ka fotoana izao hampisehoan’izy […]