Manomboka amin’ity herinandro ity ny fanisana faobe ireo mpiasam-panjakana mandray vola fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny taratasim-bola. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono, no mikarakara ny fanisana. Raha ny fanisana teo aloha, mahatratra 144 125 ireo mpiasam-panjakana misotro ronono manerana ny Nosy. Miisa […]
Fiaraha-monina
Faritra Menabe: Zava-dehibe ny fiahiana ny maha olona
Nahazo ny anjarany nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena tany amin’ny faritra Menabe ny fampivoarana ny andavanandron’ny mponina. Ho fanamafisana ny vina fampandrosoana sy fiahiana ny maha olona, adraikitry ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihan-dRamatoa Razafinjato Aurélie, tokantrano marefo, ahitana zokiolona, vehivavy mananotena sy olona manana fahasembanana ary voafonja miisa […]
Ymagoo sy EMIT – Oniversiten’i Fianarantsoa : Mamolavola tanora ho matihanina momba ny sarimihetsika
Mahomby ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny famolavolana tanora ho matihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika. Malaza ivelan’ny Nosy ny sanganasa vitan’ireo mpianatra. Manamafy ny fiaraha-miasa natomboka ny taona 2017 no ho mankaty ny orinasa Ymagoo sy ny sekoly ambony Ecole de management et […]
INDRAY MIJERY
Nitsidika ny Centre de formation professionnelle sy ny Lycée technique professionnel Belo sur Tsiribihina ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa nandritra ny fandalovany tany amin’ny faritra Menabe, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hijerena akaiky ny fivoaran’ny fiofanana. Eo koa ny filan’ny sekoly arakasa eny an-toerana indrindra […]
Sary hosodokO “Fotoanako izao”: Manentana ny vehivavy ho sahy hijoro
Haranty ao amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina La Cité des cultures Antaninarenina, mandritra ity volana septambra ity, ny sary hosodoko lehibe nataon’ny mpanao hosodoka sady mpihira no mpandihy Naty Kaly, mitondra ny lohahevitra hoe “Fotoanako izao”. Antso na kiaka momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no hasehoan’ny sanganasa avy amin’ny […]




