Fiaraha-monina

WMG sy Inner Wheel : vehivavy 20 notolorana mari-pankasitrahana

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra ny avy amin’ny Inner Wheel sy ny Wed­nesdat morning group (WMG). Natao tetsy Ankorondrano ny hetsika, omaly. Nisitraka izany ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana miisa 20 avy eto Antananarivo. Niofana nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hanampiana ny vehivavy tena […]

Tily eto Madagadikara : manao fivoriambe iraisam-pirenena CPGS

Nanatanteraka fivoriambe iraisam-pirenena, CPGS, andiany fahadimy, etsy Antaninarenina ny skoto avy amin’ny fiangonana Protestanta. Mandritra ny telo andro, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso izany. Sehatra hifampizarana hevitra sy ahafahana manatanteraka hetsika ara-panahy eo anivon’ny skotisma ny fihaonana. « Fotoana hanaovana tombana ny asa vita nandrita ny fe-potoana teo aloha ary handrafetana […]

Andron’ny ankizy eto Afrika : manatsara hatrany ny fampianarana eto Madagasikara ny Unicef

Nankalazaina tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, ny Andro ho an’ny ankizy eto Afrika ho an’i Madagasikara. 60 mahery ireo mpianatry ny CEG sy EPP tonga nanatrika izany, avy any Fort Dauphin, Fenoarivo Atsinanana ary Analamanga. Lohahevitra nodihina, nandritra ny hetsika, ny fampianarana ho an’ireo ankizy lahy sy vavy afrikanina, tonga […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambohimanambola sy ny kaominina ambanivohitr’i Masindray. Hentitra ny fanajana ny fenitra mba ho fotodrafitrasa maharitra no vita eo. Takina amin’ny orinasa, araka izany, ny kalitao tsara. Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialantsiny noho ny fanelingelenana ho an’ireo mpampiasa lalana noho ny asa […]

Fananganana orinasa : nampahafantarina ny tanora ny tokony halehany

Nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny antanantohatra tokony haleha rehefa hanangana orinasa ho an’ireo tanora ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Nahatratra 118 ireo tanora liana ka nisoratra anarana ary nozaraina ho vondrona 4. Tanjona ny hanampiana ny olona hahafantatra bebe kokoa ny lalàna mifehy raha […]