Tontosa tao amin’ny LTP Alarobia ny varavarana misokatra andiany faharoa natokana ho an’ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokatry ny fiofanana nifandimby, afaka nampiseho mivantana ny zava-bitany ireo mpianatra. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, izay […]
Fiaraha-monina
Toamasina : Vonona ny fotodrafitrasa handray ny SPSM
Mihatrana ny tanànan’i Toamasina handray ny fihaonamben’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara (SPSM) manomboka ny 29 hatramin’ny 31 aogositra izao. Iray tsy mivaky ny mpiasan’ny fahasalamana itambaran’ny dokotera, paramédicaux sy mpandraharaha mampihodina ny tobim-pahasalamana, hoy ny tompon’andraikitra Andriambololoniaina Fidinirina Désire. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana ny hetsika rehetra. Vonona ny […]
PAM-CUA ary BNGRC: Manamafy ny fahaizana sy ny fahavononana amin’ny vonjy taitra
Mampihena ny takaitra ny fananana fahaizana mamolavola izay miantoka ny fahavononana rehefa misy voina. Ilaina koa ny fanaovana fanazaran-tena. Tanterahina mandritra ny roa andro, eny Ankorondrano, nifarana omaly, ny atrikasa fanamafisana ny fahaizana mamolavola sy miantoka ny fahavononana amin’ny vonjy taitra. Ny fandrindrana momba ny fanazaran-tena araka ny fomba fiasa […]
INDRAY MIJERY
“Rentrée Mifampitsinjo”, Hetsika iray maneho ny fifanampiana sy firaisankina hanamaivanana ny vesatra iainan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Hisitraka izany koa ireo faritra manerana ny Nosy. Hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, izany. Misitraka fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ny […]
APIPA : Tsy mbola misy ny fahazoan-dalana hanototra tany
Mbola miato ny fanotofana tany (Remblai) eto amin’ny faritry ny lemak’Antananarivo, ary tsy mbola misy ny fanomezana fahazoan-dalana hanao izany, araka ny didim-panjakana lah faha-2022-241, nivoaka ny 23 febroary 2022. Ny tetikasan’ny filoham-pirenena irery ihany hatreto no mahazo fahazoan-dalana. Io no nambaran’ny tomponandraikitry ny Apipa. Raha ivelan’ny tetikasam-panjakana izany ny […]




