Nitokana fotodrafitrasa lehibe tany Antsarimasina, kaominina ambanivohir’i Fanandrana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, ny alatsinainy lasa teo. Natao hanodinana fako ho lasa akora hafa azo ampiasaina indray izy io. Hahafahana mandray karazam-pako rehetra hamadihana ireo fako azon’ny olona hampiasaina. Anisan’ izany ny hanaovana […]
Fiaraha-monina
Mahajanga: Manam-pahaizana 15 momba ny implantologie
Nofaranana tamin’ny fizarana diplaoma ho an’ireo dokotera manam-pahaizana manokana momba ny implantologie izay vao nahavita fiofanana ny hetsika natao tany Mahajanga, ho an’ny Institute of Tropical Odontology of Madagascar (IOSTM). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny IOSTM sy ny International University of Rabat (UIR) any Maraoka, no nahafahana nanome ny fiofanana […]
INDRAY MIJERY
Nisy atrikasa sy fakan-kevitra ho an’ny Paikady nasionaly ho fanatsarana sy fampiroboroboana ny “éducation préscolaire” tamin’ity herinandro ity. Ny fisitrahana ny fampianarana garabola, ny kalitao sy ny traikefan’ny mpampianatra, ny fomba enti-mampianatra, ny fitantanana sy ny tetibola ampiasaina, ny fandraisan’andraikitry ny vondron’olona sy ny ray aman-dreny no lohahevitra nodinihina. Nandray […]
Tetikasa “Avotse”: Nitsidika distrika telo ny mpamatsy vola
Nitsidika ny distrikan’ Amboasary, Ambovombe ary Ampanihy ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny tetikasa “Avotse”. Tanjon’ny tetikasa ny hanamafy ny fahafaha-miarin’ny mponina manoloana ny haintany sy ny vokatra entin’izay any atsimon’ny Nosy. Nidina teny ifotony ireo tomponandraikitra nizaha ny zava-misy taorian’ny haintany nitranga ny volana oktobra 2024 izay narahana rotsakoranabe […]
Oniversiten’Antananarivo : Nandray ny andraikiny ny filoha vaovao
Notanterahina teny Ankatso ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo teo aloha, Pr Ravelomanana Mamy, sy ny filoha vaovao voafidy, Pr Titulaire Randrianasolo Rivoarison. Nankasitraka ny filohan’ny oniversite teo aloha tamin’ireo fampandrosoana vita rehetra ny filoha vaovao. Mandroso hatrany no filamatra, hoy izy, ary hotohizana ny lalana nety sy nahasoa. Tombontsoa […]