Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Association sœur Emmanuelle (Asmae). Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fitarihana sy torolalana momba ny fianarana sy ny asa, ny fanofanana, ny fampivelarana ny fahaiza-manao ary ny fampidirana […]
Fiaraha-monina
Toetry ny andro: mety hahatratra 6°C ny maripana ny maraina
Varatraza antonony na matanjaka no handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny afovoantany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Harahina rivotra mafy izany anio sy rahampitso. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny alakamisy mankany amin’ny faran’ ny herinandro. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka […]
Laza adina bakalorea 2027: handray anjara amin’ny famolavolana ny sekoly tsy miankina
Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ireo fanatsarana hatao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana izany. “Hisokatra amin’ny volana janoary 2027 ny fisoratana anarana ary hihatra amin’ny fanadinana bakalorea 2027 ny sokajy L, […]
Alinirina Enica: mahavokatra be ny mangahazo atao compost
“Mpisitraka ny tetikasa “Vatsin’ankohonana” efa hatramin’ny taona 2024 aho, renim-pianakaviana mamelona zaza telo. Mamboly sy miompy no tena asako”, hoy i Alinirina Enica. Tany aloha, voly saritaka ny fomba fambolena ny mangahazo, zara raha misy vokatra. Nampianarina azy ny fomba fambolena “Basket compost” ka tsy mampino ny vokatra tamin’ny mangahazo […]
Zavamaneno sy feo mafy: mahavoasazy rehefa manelingelina ny fiarahamonina
Mampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa ahazoana sazy ny fanelingelenana ny mpiray vodirindrina amin’ny feo mivoaka ao amin’ny tokantrano iray. Araka ny andininy faha-78 ao amin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, ireo mponina amin’ny toeram-ponenana sy ny miankina aminy dia tsy maintsy mandray fepetra mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny […]




