Fiaraha-monina

Oniversiten’i Barikadimy: Matotra ny fiaraha-miasa amin’ i Etazonia

Tonga nitsidika ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ary noraisin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, niaraka tamin’ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana ivelany ny mpandrindra ny foibe Anglisy Corner anivon’ny oniversiten’i Barikadimy sy ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy kolotsaina anivon’ ny masoivohon’ i Etazonia eto Madagasikara, Ryan.J Peseckas, ny herinandro lasa […]

Fikorontanana eo amin’ny atidohan’ny zaza: Ilaina ny fitsirihan’ny manam-pahaizana mialoha

Mbola mahazo vahana eto amintsika ny hevi-draikitra mivoy fa vokatry ny ozona ary aretina mahamenatra ny toe-tena autisme sy ny fahasamihafan’ny fiasan’ny atidoha. Vokany, voahilikilika ma­tetika ny fianakaviana manana ankohonana autiste nefa endrika hise­hoan’ny fahasamihafana amin’ny samy olombelona ihany ireo. Izay no nitarika ny fikambanana Mouvement pour la différence hanao […]

Oniversiten’i Fianarantsoa : Miofana any Etazonia ny mpitarika

Voafantina handray anjara amin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP), hifantoka amin’ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny oniversite any Etazonia, i Hajalalaina Aimé Richard, filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Hitsidika oniversite maro ao anatin’ny telo herinandro ny tenany, toy ny any Washington D.C Baltimore, Maryland; Kalamazoo, Michigan; East Lansing, Michigan; Iowa City, Iowa ary New […]

Vatsin’ankohonana sy Fiavota ao Vohipeno: 3 000 ireo mpisitraka lasa mpandray andraikitra

Fanamafisana ny fidiram-bola sy ny faharetan’ireo anko­­honana marefo ao Vohipeno ny tetikasan’ny fanjakana Vatsin’ankohonana, izay arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary tanterahin’ny Fid, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Mikendry ny hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, hampitombo ny fidiram-bola ary hanamafy ny fahafahan’ireo ankohonana miatrika ireo loza sy krizy mety hitranga ny […]

Fiatrehana ny loza voajanahary : Firenena efatra maka traikefa eto Madagasikara

Notanterahina teny Ivandry, omaly, ny atrikasa fifanakalozana traikefa miaraka amin’ny firenena efatra ahitana an’i Zambie, Malawi, Burundi, Seychelles ary isika mpampiantrano amin’ny alalan’ny BNGRC Hizara traikefa momba ny fitantanana ny «Pro­gram­me repair» iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, ny mpivory. Drafitra iray hoentina miatrika ny loza voajanahary izany, izay misy famatsiam-bola. «Miantefa amin’ny […]