Aretina fahatelo, mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Misy ny paikady vao nohavaozina ho enti-miady amin’izany. Distrika 53 no tena mbola misy tazo. Notanterahina tao Morondava, omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka. Aretina fahatelo mamono olona indrindra eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy izy io ary faharoa […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nihena ny herijika hivoaran’ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’i Madagasikara. Na izany aza, arahi-maso akaiky ny mahakasika azy. Efa nihena ny heriny ary niha nalefaka. Ho maina ny andro eto afovoantany ary hiakatra manodidina ny 26°C ny maripana farany ambony, hoy ny nambaran’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. 80 000 […]
Fianarantsoa : olona 15 000 nisitraka tolotra fahasalamana
Nosantarina, omaly, ny hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka ho an’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Fianarantsoa. Nanotrona izany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, Rajoelina Mialy. Nisy ny fitsaboana manakaiky vahoaka mandritra ny tontolo andro ankoatra ny hetsika “Caravane de santé” […]
CEPE andrana : antonony ny vokatra ho an’ny EPP Analakely
Nanatanteraka CEPE andrana ny sekolim-panjakana anatin’ny Zone d’administration pédagogique (Zap), eo anivon’ny Cisco Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Fanadinana voalohany hiomanana amin’ny CEPE. “Ho an’ny EPP Analakely, 53,13% ny mpianatra nahazo ny salanisa 10/20”, hoy ny talen-tsekoly, Razafindranaivo Nadia. Eo ho eo ihany ny vokatra fa mbola misy ny fotoana hanarenana […]
Hahaleo tena ny oniversiten’i Vakinankaratra : notokanana ny efitrano 80 hipetrahan’ny mpianatra
Betsaka ny mipetraka amin’ny trano tsizarizary. Mandeha an-tongotra lavitra vao tonga any amin’ny oniversite ny mpianatra ao Antsirabe, ka izay no nahatonga ny fitondrana nametraka fotodrafitrasa goavana ho an’ny mpianatra, hoy ny filohan’ny Repoblika. Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny efitrano hipetrahan’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fampianarana ambony […]