Efa nanao fanambarana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana hatramin’ny herinandro teo ka mampihatra ny « service zero » ny Lycée maromaro. Nisantatra izany ny LMA Ampefiloha, ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, ny Lycée Ivato… Tsy manaiky ny hampianatra ireo mpampianatra ary nampahafantatra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny mahakasika ny fitsaharan’ny fampianarana. Iraisana […]
Fiaraha-monina
Vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026 : Ahina ny tsy fahampian-drano amin’ ny faritra Androy, Atsimo Andrefana
Notanterahina ny herinandro lasa teo ny famoahana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Tanjona ny hampahafantarana ara-potoana ny fizotry ny fahavaratra ho an’ny mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka. Andrasana ny atrikasam-pirenena hatao mivantana amin’ity volana ity. Vinavinaina hifanakaiky amin’ny tokony ho izy ny vanim-potaonan’ny rivodoza amin’ity taona 2025-2026 ity. Tokony hanodidina ny 1 hatramin’ny […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fanatanterahana ny fandaharanasa “Fijery Hafa” ao amin’ny faritra Itasy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notanterahina tao amin’ny kaominina Ambatomanjaka ny fiofanana momba ny fiompiana trondro anaty dobo sy an-tanimbary. Nampiharina tao amin’ny Akany zandarimaria Arivonimamo ihany koa ny fiofanana momba ny Pisciculture hors sol. […]
CHU Gob Befelatanana: Sempotry ny lakrimozenina ny zaza vao teraka
Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpitantana ny hopitaly fiterahana CHU Gob Befelatanana sy ireo mpiara-miasa rehetra manoloana ny herisetra sy ny faniratsirana ny zon’ireo zaza menavava sy mpiteraka ary marary tsaboina ao amin’ny hopitaly. Nihamafy ny herisetra ny alakamisy teo ary tena nihatra aman’aina amin’ireo olona manaraka fitsaboana sy mpiteraka ao […]
Fisotroan-dronono: Misokatra amin’ny 6 ora ny caisse
Nametraka fandaminana manokana ny tahirimbolam-panjakana ho an’ny fandraisan’ny zokiolona ny vola fisotroan-dronono. Misokatra amin’ny 6 ora maraina ny toerana rehetra handraisana izany eto Analamanga, nanomboka omaly hatramin’ny 16 oktobra izao. Natao izany ho fitsinjovana ny zokiolona manoloana ny korontana misy eto an-dRenivohitra, vokatry ny fitakiana an-dalambe ataon’ireo mpitolona. Manaraka hatrany […]





