Mbola mahavita asa ary mila ampirisihina tsy hipetrapetra-poana ny zokiolona, hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Madagascar Alzheimer, Masoandro mody. Voalaza fa tsy ny taona efa mandroso na ny aretina aterak’izany no sakana amin’ny fivelarana maha olona. Maro ny traikefa ananan’ireo zokiolona mbola azony ampiharina ho fikolokoloana ny saina sy ny […]
Fiaraha-monina
HEA Enam : hametraka fenitra amin’ny fitantanan-draharaha
Lany ho filohan’ ny fikambanan’ireo manampahaizana ambony, DHEA, nivoaka avy amin’ny sekoly momba ny fitantanan-draharaha (Enam), Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, izay avy amin’ny andiany fahatelo. Tomponandraikitra vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy miankina eto amin’ny firenena ny DHEA. Vonona hitondra ambony ny fanevan’ny […]
Kaominina Androhibe: miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina
Manodidina ny 300 ireo tantsaha nisitraka zezika 300 t avy amin’ny orinasa tsy miankina ao amin’ny kaominina Androhibe Antsahadinta, distrikan’Atsimondrano, omaly. Avy amin’ny fikambanana matihanina ireo tantsaha ireo ary nisitraka fampiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa. “Porofon’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny fanehoana fiaraha-mientana […]
Vohoka tsy irina – IST/Sida: tsy miaro tena ny tanora
Any an-tokatrano, ny zazavavy ihany no mahazo fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny. Matetika tsy manazava ny fahasalamana ara-pananahana izy ireny fa mijanona ho fananarana miendrika fampitahorana fotsiny. Nanao fanadihadiana an’ ireo tanora 800 amin’ny toerana efatra: Antananarivo, Toamasina, Antsiranana ary Toliara ny Health Economics and HIV and Aids Research Division(HEARD), […]
Taorian’ny fiofanana asa amin’ny web: tanora 200 niatrika fifantenana mivantana
Hisitraka asa sahaza azy ireo tanora nanaraka fiofanana maimaimpoana nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika. Taorian’ny fiofanana maimaimpoana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa momba ny asa amin’ny web, ny volana janoary lasa teo, niroso tamin’ ny fandraisana mpiasa mivantana ny orinasa fito, omaly, teny Ampefiloha, foiben-toeran’ny minisitera. Tanora 200 voaofana […]




