Nanomboka ny sabotsy teo, etsy amin’ny INPF, ny fampiofanana ireo tanora 100 mianadahy hianatra momba ny fandrafetana trano: BTP, maçon polyvalent, aide maçon- manoeuvre. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa izany. Tonga nampahery azy ireo, teny an-toerana, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Nanantitrantitra ny tokony hahatozoana […]
Fiaraha-monina
100 taona ny Lycée Faravohitra: havaozina ny efitrano TIC
Nanomboka ny volana septambra 2023 teo ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny lycée Faravohitra. Amin’ity volana avrily ity no ivon’ny fankalazana. “Ny 18 avrily 1924 no niorina ny sekoly”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana iray amin’ny komitin’ny jobily. Fiaraha-misakafo sy fety be no hisongadina ny 26 avrily, iarahan’ny mpianatra, ny mpandraharaha, ny […]
FITSABOANA MAIMAIMPOANA: nilaharana ny tolotra tetsy Antanimenabe – Ankorondrano
Tolotra nampiavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny fanaovana vaksiny maimaimpoana ny saka sy ny alika, hisorohana ny aretina haromotana. Lafo rahateo ny vaksiny natokana ho azy ireny eny amin’ny mpitsabo biby. Nomarihina tamin’ny tolotra fahasalamana maimaimpoana manatona vahoaka ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana sy ny […]
Hanatsarana ny fahasalamana: nahazo fitaovana ara-teknika avy amin’i Japon ny IFIRP
Nanolotra fitaovana ara-teknika ho an’ny Instituts de formation interrégionaux des paramédicaux (IFIRP) ny masoivohon’i Japon, omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana sy fampivoarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara izany. Tetikasa vatsian’ny Fonds de contre-valeur Japonaise. Haparitaka amin’ireo ivontoerana enina manerana ny Nosy ireo fitaovana rehetra ireo. Anisan’izany, ny […]
Minisiteran’ny Mponina: manasongadina ny tantaram-pahombiazana ireo fikambanana
Efa hita ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny minisiteran’ny Mponina ireo horonantsary mirakitra tantaram-pahombiazana hanaovan’ireo vehivavy sy fikambanana fifaninanana. Efa mandeha ny fifidianana izany ka izay mendrika no hisitraka ny loka efa voafantina. 47 ireo fikambanam-behivavy na olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Horonantsary 2 minitra mitantara ny fahombiazana, ho fitaratra ho an’ny hafa […]