Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitr’ Amboditandrohoroho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana […]
Fiaraha-monina
« Rallye des Industries » : Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Alarobia ny andiany voalohany amin’ny « Rallye des Industries », izay natao ny sabotsy teo. Hitohy any amin’ny faritra ny hetsika. Nandrombaka ny fandresena tamin’ny famaranana lehibe ny ekipa « ABS School – ArBiochem ». Etsy andaniny, ny « Inscae – Star » kosa no nahazo ny isa […]
INDRAY MIJERY
Tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo, nanatrika ny hetsika « Fijery hafa » ao Isandra. Manamafy ny fanohanany ny politikam-panjakana mikendry ny fampivoarana ny maha olona, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny programa ho fanamafisana sy ho fanatsarana ny sehatry ny fampianarana […]
Ho fanarenana ny tsenan’i Sabotsy – Antsirabe: Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ny Orange Madagascar
Taorian’ny fahamaizan’ny tsenan’i Sabotsy ny herinandro lasa teo, nanambara ny orinasa Orange Madagascar fa hanao hetsika sosialy hanohanana ireo mpivarotra traboina sy ny fianakaviana ary hanampy amin’ny fanarenana ny toeram-pivarotana. Hifarimbona amin’izany ny Orange money Madagascar sy ny Orange solidarité Madagascar. Nanome vola mitentina 50 tapitrisa Ar ny orinasa Orange […]
Fananganana ny SLC: Nihaona ny ben’ny Tanàna sy ny sefo fokontany
Nihaona mivantana tamin’ireo sefo fokontany 192 manerana ny boriborintany enina ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, mialoha ny handrafetana ny rafitra ifotony ifanakalozana, SLC. Tamin’izany no nilazany tamin’ireo mpivory fa ny fametrahana io rafitra io no hiaingan’ny fampandrosoana. Haverina ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra amin’ireo paompim-pokonolona sy ny toerana fanasan-damba. Ireo sefo fokontany […]




