Fiaraha-monina

Enin-dahy nitam-piadiana : renim-pianakaviana iray voatsatoka antsy

Naratra vokatry ny herisetra nataona jiolahy enin-dahy nanafika, nitam-piadiana, tao aminy ny renim-pianakaviana iray sy ny lehilahy iray tao Anganomasina, distrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alarobia 21 febroary teo. Niditra an-keriny tao an-tsena ireo jiolahy. Norobain’izy ireo avy hatrany ny vola sy ny entana fampiasa andavanandro tao amin’io tranombarotra io. Noleran’ireo […]

Mercy Ships: hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana

Araka ny fanazavana nen­tin’ny kaominina Toama­sina, hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana ireo olona hisitraka ny fandidiana sy fitsaboana ataon’ireo dokotera ao amin’ilay sambo Mercy Ships. Haha­ritra 2 volana eo ho eo ny fifantenana hamaritana ma­zava ny soritraretina sy ny fi­tsaboana tokony hatao. 12 ireo tanàna hanatanterahina ny fisoratana anarana ho an’ireo […]

Andron’ny skotisma : nisongadina ny hetsika sosialy

Nomarihina omaly ny Andron’ny skotisma, fotoana naha­tsiarovana manokana ny olona namorona ity fikambanana maneran-tany ity. Teny amin’ny ANS Ampefiloha no nankalaza izany ny skoto eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fa­nome­zan-dra sy ny fandraisana fanampiana hozaraina amin’ny sahirana. Mampiavaka ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana ny fanohanana ny mpiara-belona amin’ny he­tsika mipaka any […]

144 voaolana : manamafy ny famosirana ny filohan’ny Repoblika

Mitohy ny fanamafisana ataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny famaizana ireo manao fanolanana. Tsy miala maina izay voaporofo fa nahavita izany fa tsy maintsy vosirina. Nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry fanamarihana manokana mihitsy, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ampiharina amin’ireo olona manao fanolanana, indrindra amin’ny ankizy. Noho ny […]

Minisiteran’ny Tontolo iainana: hametraka fanodinana fako miisa enina

Mifototra amin’ny vina fototra fito ny fandaharanasan’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) : Toeka­re­na maharitra sy ny fiarahamonina tomponandraikitra, ny famatsiam-bola maharitra, ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny voly hazo sy ny fitandrovana izany, ny diplaomasia maitso sy ny fiaraha-miombon’antoka, ny fitantanana voatsara, ary […]