Araka ny fanazavana nentin’ny kaominina Toamasina, hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana ireo olona hisitraka ny fandidiana sy fitsaboana ataon’ireo dokotera ao amin’ilay sambo Mercy Ships. Haharitra 2 volana eo ho eo ny fifantenana hamaritana mazava ny soritraretina sy ny fitsaboana tokony hatao. 12 ireo tanàna hanatanterahina ny fisoratana anarana ho an’ireo […]
Fiaraha-monina
Andron’ny skotisma : nisongadina ny hetsika sosialy
Nomarihina omaly ny Andron’ny skotisma, fotoana nahatsiarovana manokana ny olona namorona ity fikambanana maneran-tany ity. Teny amin’ny ANS Ampefiloha no nankalaza izany ny skoto eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra sy ny fandraisana fanampiana hozaraina amin’ny sahirana. Mampiavaka ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana ny fanohanana ny mpiara-belona amin’ny hetsika mipaka any […]
144 voaolana : manamafy ny famosirana ny filohan’ny Repoblika
Mitohy ny fanamafisana ataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny famaizana ireo manao fanolanana. Tsy miala maina izay voaporofo fa nahavita izany fa tsy maintsy vosirina. Nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry fanamarihana manokana mihitsy, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ampiharina amin’ireo olona manao fanolanana, indrindra amin’ny ankizy. Noho ny […]
Minisiteran’ny Tontolo iainana: hametraka fanodinana fako miisa enina
Mifototra amin’ny vina fototra fito ny fandaharanasan’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) : Toekarena maharitra sy ny fiarahamonina tomponandraikitra, ny famatsiam-bola maharitra, ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny voly hazo sy ny fitandrovana izany, ny diplaomasia maitso sy ny fiaraha-miombon’antoka, ny fitantanana voatsara, ary […]
Moramanga : tratra ilay lehilahy mpamboly rongony
Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray mpamboly sady mpivarotra rongony tao Ambohitranjavidy, kaominina Moramanga, afakomaly. Naharay antso tamin’ny tomponandraikitry ny fokontany ny mpitandro filaminana momba ny fisian’ny lehilahy iray manao io fambolena rongony io eo an-tokotaniny. Nanamarina ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao an-tranony tokoa ilay lehilahy voalaza. Notapahina avokoa […]