Nanatanteraka fandidiana maimaimpoana ho an’ny mponina tao Port-Berger ireo dokotera miisa 4 misehatra amin’izany. Nampita ny traikefany amin’ny fanaovana asa sosialy ny loholona ao Mahajanga, Pr Tiandraza Dinaraly Odilon, mba hanala ny fahasahiranan’ny mpiara-belona. Nanao hetsika vao maraina ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday Toliara mba hamahana ny olan’ ny vatsim-pianarana […]
Fiaraha-monina
Kaominina Belemoka (Ikongo) : Babena ny sakafo entina ho an’ny mponina
Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny aretina tazo na ny tsy fanjarian-tsakafo teny anivon’ ny tobim-pahasalamana tamin’ ny kaominina telo: Ambato-fotsy, Ikongo, Maromiandra, niasan’ny mpisehatra nandritra ny herinandro lasa teo, araka ny tatitry ny Corupi. Nitombo ny isan’ny olona manatona ny tobim-pahasalamana raisina an-tanana ny fahasalamany vokatry ny fitsidihana […]
TPC Soarano-Ivandry : Andramana hitateran’olona amin’ny fihaonan’ny Sadc
Nanao tatitry ny asa vita mahakasika ny zotra an-tariby amin’ireo fiatoana N°2 izay mamaramparana ny asa ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao. Hiditra amin’ny fankatoavana ara-teknika io ampahany farany io ny teknisianina iarahana amin’ny cabinet Veristas. Tsy mbola nahazoana alalana hampidirana olona ireo fitaovana mampitohy an’i Soarano […]
Bakalorea : Nisy mpitandro filaminana nivarotra laza adina
Nampitandrina ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy hitsitsy amin’ireo mandika lalàna manoloana ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea. Efa natao famotorana ilay voalaza fa mpitandro filaminana nilaza ho mivarotra laza adina. Nandritra ny fanokafana ny fanadinana Bakalorea, omaly, nanao fizarana teo amin’ny pejiny ny minisiteran’ny Fampianarana ambony […]
INDRAY MIJERY
Efa mandeha ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, any amin’ny distrika Ikongo. Taorian’ny fampiofanana nomena ireo miaramila sy zatovolahy nanolo-tena hanao ny asa dia natomboka tamin’ny fanentanana mihodidina ny tanàna izany ho fahampahafantarana ny vahoaka. Haharitra herinandro ity asa ity raha ho an’ny ao amin’ny kaominina Ikongo manokana, ary tsy […]





