Fiaraha-monina

Fanararaotana mamoafady: lasibatry ny internet ny ankizy sy ny tanora

Nitady vahaolana momba ny fanararaotana mamoafady amin’ny internet mianjady amin’ireo ankizy sy tanora ireo tomponandraikitra mahefa. Nitarika ny dinika momba ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny internet eto Madagasikara ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Steaphie Arnold, ny faran’ny herinandro teo. Maro […]

Ambohimangakely : mpamaky trano voasambotra

Tratran’ny fokonolona niray hina ny mpamaky trano iray tao Antsahamalaza, fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nivoaka antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ilay mpangalatra. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny hafahafa. Nitondra kitapo mainty rahateo izy ka niantsoantso ny mponina. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ilay […]

Mandritra ny rotsakorana be: tokony hialana ny trano efa ahina hirodana

Tokantrano 15 ao amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, no traboina ka voatery mipetraka ao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF, noho ny fiakaran’ny ranon’i Sisaony. Nizarana vary sy tsaramaso ary menaka ho fanampiana azy ireo tokantrano 15 ahitana olona 57 izay ankizy no maro anisa. Samy nahazo vary […]

Zanak’i Toamasina : nahazo ny fitokisan’ ny Filoham-pirenena

Tanora 5 mirahalahy, zanak’i Toamasina, no voatendry amina toerana tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Naneho fisaorana ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ny fametrahan’ny Filoham-pirenena fitokisana hiara-hiasa aminy hanatratra ny tanjona amin’ireo andry telo napetraka hoentina mampandro an’i Madagasikara. Anisan’izany ny tale misahana ny raharaha […]

Fikambanana mampiely Baiboly malagasy : handika ny Baiboly amin’ny teny tanana

Nomarihina, omaly, teny amin’ny fiangonana FLM Ambatovinaky, ny Alahadin’ny Baiboly miaraka amin’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM). Fotoana nahatsiarovan’ny rehetra ny fikambanana koa ny fotoana na ara-bavaka na ara-bola na amin’ny fanomezana tohana samihafa. Manana antom-pisiany efatra ny fikambanana: voalohany ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, eo […]