Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena. Mandritra ny herinandro ny fanentanana momba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary […]
Fiaraha-monina
Toamasina : mivonona handray ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy
18 andro mialohan’ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy isika izao. Efa somebiseby ny any Toamasina handray amin’ny fomba makotroka ny lanonam-pankalazana izay tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Nidina mivantana tany an-toerana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, ny faran’ny herinandro teo, nanao ny fandaminana niaraka tamin’ny lehiben’ny […]
Toetr’andro: andro ratsy 2 ao amin’ny ranomasimbe Indianina
Nahafeno fepetra ka nomena anarana Djoungou ilay rivodoza any amin’ny ranomasimbe Indianina. Mikisaka miatsinanana ary vinavinaina hitombo hery hatrany saingy tsy hahakasika an’i Madagasikara. Heverina hisy fiforonana rivodoza hafa ihany koa any amin’ ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy amin’ny fisasahan’ny herinandro. Nahitana fidinana misongadina ny tsindrin’ny habaka amin’ny faritra maro […]
Vokatry ny rotsakorana: olona 11 maty, 8 tsy hita popoka
Mivoatra isan’andro ny tatitra momba ny voka-dratsin’ny rotsakorana miseho eto amin’ny Nosy nanomboka ny 6 febroary lasa teo. Mitombo koa ny traboina. Niakatra ho 11 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho nanomboka ny 6 febroary teo ary mbola mitohy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankehitriny, araka […]
Fandriana : voasakana ny fivorian’ny fikambanana mpanao asa sosialy
Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny 12 febroary teo. Voatery najanona izany noho ny fanakanana nataona palemantera iray. Nanao fivoriana momba ny asa sosialy efa fanaony ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny alatsinainy 12 febroary teo. Ahitana ny zokiolona, ny fikambanan’ny vehivavy 8 marsa, […]