Fiaraha-monina

Asa amin’ny “Web”: hanofana maimaimpoana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika

Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora. Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana […]

EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko

Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy. Mahazo […]

Fanolanana : ho mafy ny sazy miandry

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana. Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany […]

Holafitra nasionaly  : «Hanenjika ny mpisandoka ho  infirmier manomboka izao»

Mampitandrina ireo toeram-pitsaboana tsy miankina mampiasa olona mitonona ho infirmier nefa tsy manana diplaoma ny holafitra satria hiroso amin’ny fanenjehana manomboka izao. Nanao fivoriana voalohany ny mpikambana amin’ny biraon’ny holafitra nasionalin’ny  infirmier  sy ireo biraom-paritra 23, teny amin’ny HJRA, omaly. Niko­rontana ny tontolon’ny asan’ny infirmier nandritra ny 15 taona farany ka […]

Masoivoho japoney : miisa 200 ny tetikasa notohanana

Nohavaozina sy nitarina ny EPP Andohatapenaka, ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Avy amin’ny famatsiana nomen’ny masoivoho japoney eto amintsika no nahazoana ny fotodrafitrasa. Mitentina 70 482 euros ny asa fanavaozana. Notanterahina ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny fiandohan’ny herinandro ny asa […]