Fiaraha-monina

Loza nandritra ny fety: mpilomano natelin’ny ranomasina

Raim-pianakaviana 26 taona, natelin’ny ranomasina ny 25 jona teo, tetsy amin’ny ranomasina mifanila amin’ ireo trano heva maro be fivarotana zava-pisotro. Raha ny angom-baovao, noho ny fiaretan-tory fiandrasana ny fetim-pirenena ny 26 jona dia niaraka tamin’ ny vadiny ity tovolahy ity mba hiaraka « hanala azy », araka ny tenin’ny zatovo ankehitriny […]

Fanabeazana: manampy amin’ny fivelaran-tsain’ny ankizy ny Sary fetsy

Antoka ho an’ny fanatsarana sy hampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy ny fananana fitaovana ahafahana manaitra ny sainy. Manampy azy hivelatra amin’ny lafiny maro samihafa ny Sary fetsy. Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny Association Sœur Emmanuelle (Asmae) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tetsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny […]

Asam-panjakana: nankasitrahana ny minisitera mendrika

Nisy ny loka nomena ireo minisitera mba hampiakarana ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao aminy, nandritra ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an’ny mpiasam-panjakana tamin’ny 23 jona teo. Nahazo ny loka faharoa tamin’izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), noho ny ezaka vitan’io minisitera tarihin’ny minisitra Moustapha Marson, io. Nahatratra […]

Antso ho an’ny mpitondra afrikanina: mila ampitomboana ny vola hikarakarana ny ankizy

Ho fanamarihana ny An­dro ho an’ny ankizy afrikanina, ny 16 jona lasa teo, nentanin’ny tomponandraikitry ny Uni­cef aty Afrika ny tomponandraikitra na olona manan-danja ao amin’ny firenena misy azy avy hanao sonia taratasy misokatra ho an’ny mpitondra aty Afrika. Votoa­tin’ny taratasy ny haitaky amin’ny tokony hampitomboana bebe kokoa ny sora-bola […]