Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Hisy orana tandrifin-drahona vitsy amin’ity herinandro ity, any amin’ny afovoan-tany sy ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy. Hisy tandrifin-drahona mety harahin-kotroka kosa manomboka rahampitso, ny ilany atsinanan’ny Nosy. Hisy andian-javona amin’ny ankapobeny ny vao maraina any amin’ny afovoan-tany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Hisy fiakarana misongadina ny maripana […]

Zotra Orange La City- Ambatobe: Mandeha ny andrana ara-teknika

Manatanteraka ny andrana teknika amin’ny fitaterana an-tariby, zotra Orange, miainga eo amin’ny La City Ivandry mankeny Ambatobe ny ekipa amin’izao fotoana, raha ny tatitra avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Haharitra 3 herinandro ny fampandehanana ireo cabines miisa 89 sy ny fanaraha-maso farany hatao mialoha […]

Andron’ny fahasalamana: Mbola ho taonan’ny vaksiny ny 2025

Teny amin’ny Kianjan’ny CEG Ambohimangakely no nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, omaly. « Fahasalamana mandritra ny fiterahana: miantoka ny hoavy feno fanantenana » ny lohahevitra nosafidiana hitondrana ny hetsika. “Mendrika fiainana tsara hatrany amin’ny fahaterahany ny zaza tsirairay ka nasongadina ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ara-pahasalamana ny zaza […]

“Mandinika aloha” : Hijery ny fanavaozana ilaina ny Fampianarana teknika

Manana adidy ny mpampiofana eny amin’ny Lycée teknika hanatsarana ny fampianarana teknika. “Mandinika aloha” satria tsapa fa misy zavatra tokony hojerena ny fampianarana hametrahana lova ho an’ny taranaka. Natomboka eto Antana­narivo, faritra Anala­man­ga, ny atrikasa vo­a­lohany mitondra ny lohateny “Mandinika aloha” natokana ho an’ny Lycée teknika ato anatin’ny faritra. “Nahatsapa […]

INDRAY MIJERY

Marihina anio, eny amin’ny Kianjan’Ambohi­man­gakely, ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahasalamana. Hetsika maro no hiseho eny an-toerana ka homena lanja manokana ny reny sy ny zaza. Hisy ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza. Eo koa ny tolotra fandrindram-piterahana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo rehetra vonona hanao izany. Noraisin’ny tale […]