Nivoaka ho mpandresy, nitana ny laharana voalohany, ny ekipan’ny Misa manoloana ny ekipa 15 hafa avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Fifaninanana “Orange Digital Center Champions”. Nidera manokana ny haavolentan’ny fiofanana eo anivon’ny Misa sy ny fahaizan’ireo tanora ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frederic Debord. Notolorana amboara sy […]
Fiaraha-monina
Fahabetsahan’ny rotsakorana : faritra valo nahazo fampitandremana
Filazana miloko mavo amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Voakasik’izany koa ny distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo ary Belo sur Tsiribihina. Io ny fampitandremana nomen’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly. Filazana miloko mena, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana hatrany, ho an’ny faritra […]
Fisitrahana tolotra ara-pahasalamana: entanina hiditra anaty rafi-piantohana ny olona
Fitsimbinana ny fahasalamana ho an’ny rehetra ny CSU. Anisan’ny vahaolana ialana amin’ny tsy fananam-bola tampoka raha sendra marary ny fidirana anaty rafitra fiantohana ara-pahasalamana. Nampahafantatra bebe kokoa momba ny fahafahana misitraka fahasalamana ara-kalitao, izay ilaina amin’ny fotoana rehetra sy tsy misy fahasahiranana ara-bola (CSU), ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manentana ny rehetra, […]
Fandriampahalemana : haverina amin’ny laoniny
Haverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, indrindra ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Andriantsarafara Rakotondrazaka, tetsy amin’ny Toby Philbert Ramarolahy, omaly. Ho tombontsoan’ny vahoaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra, hamafisina ny ady amin’ny dahalo ahafahan’izy ireo mamokatra am-pilaminana. Tompon’ andraikitra voalohany miantoka ny […]
Jly Raveloharison Herilanto : tsy voakosoka ireo mamy napetrany
17 janoary 2022 – 17 janoary 2024 : feno 2 taona katroka anio ny nahalasanan’ Itompokolahy Général de corps d’armée Raveloharison Herilanto, fantatry ny maro amin’ny hoe «Jly Herilanto». Manamboninahitra ambony, nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena izy fony fahavelony. Niavaka tokoa raha ny zava-bitany nandritra ny fotoana nidirany tanteraka […]