Fiaraha-monina

Baiboly malagasy : Taom-pankalazana indroa misesy ho an’ny FMBM

Feno 60 taona ny nitsanganan’ny fikambanana. 190 amin’ity taona ity koa ny nahavitana printy voalohany ny baiboly malagasy. Ivon’ny taom-pankalazana ny 21 jona hoavy izao. Taom-pankalazana in­droa misesy izany ho an’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), ity taona 2025 ity, raha ny fampahafantarana nataon’ny fikambanana. Lohahevitra enti-manamarika izany ny hoe: […]

Distrikan’Atsimondrano : Hampandrosoana ny tantsaha ny Ciad

Entina hampandrosoana ny eny ifotony ny Ciad. Tetibola tantanan’ny solombavambahoaka. Ho an’ny distrikan’Antsi­mon­drano, nilaza ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny, omaly fa entina hanampiana ny tantsaha, indrindra ny mpamboly, ny tetibola amin’ity taona ity. Natolotra omaly ireo fitaovam-pambolena ho porofo iaraha-mahita ho an’izany fanohanana ny tantsaha izany. Nahitana kubota, milina fikapohana vary […]

Hanamafisana ny fiatrehana ny voina : Nahazo fampitaovana avy amin’ny Pam ny BNGRC

Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra manaraka ny tomponandraikitra ka hanampy ny fahazoana fitaovana sy fiara avy amin’ny mpiray ombon’antoka. Nahazo fampitaovana hanatsarana ny andraikitra sahaniny ny BNGRC, omaly, teny Andrai­narivo. Fiara tsy mataho-dalana roa sy fitaovana ahafahana miserasera (radio) manampy amin’ny fandrindrana ny asa eny ifotony mandritra ny […]

INDRAY MIJERY

Namoaka ny vokatra avy amin’ny rafi-pamokarana maharitra amin’ny faritra avo eto Madagasikara ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ambanivohitra (Fofifa). Anisan’ireo nampirantiana ny karazam-bary an-tanety, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fampiasana ny kankana sy ny zezika azo avy aminy. Mpikaroka 60 avy amin’ny AfricaRice, Fofifa, Fifamanor, GSDM, Oniversiten’Antananarivo, Cirad ary IRD […]

“Global AI talent empowerment 2025 » : Solontena 4 ny an’i Madagasikara

Handray anjara amin’ny hetsika «Global AI Talent Empowerment (Gaite) 2025”, karakarain’ny International Olympiad in Artificial Intel­ligence IOAI, i Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny Stem for Good. Tovovavy efatra dia i Fitizo, Manasoa, Mendrika ary Ainafi no hisolo tena antsika miaraka amin’ny mpitarika Rakotoson Cynthia izay manana traikefa amin’ny tantsoroka ho […]