Fiaraha-monina

Sekoly sakaizan’ny rano: Aparitaka ny torolalana ” amie de Wash”

Tamin’ity herinandro ity ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanapariahana ny torolalana ho an’ny fampiharana ny sekoly sakaizan’ny rano, fanadiovana sy fidiovana na “École amie de Wash”. Natao teny amin’ ny EPP Ambohibao Antehiroka, Cisco Ambohidratrimo, izany, satria anisan’ny sekoly telo eto Madagasikara misalotra ny anarana na manana ny “labéllisation” […]

Ady amin’ny herisetra VBG : 34 ny toeram-pandraisana tohanan’ny UNFPA

Araka ny fanadihadiana EDS, natao ny taona 2021, momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, 29,4% ny tahan’ny herisetra ara-batana (vehivavy iray amin’ny telo), 13,7 % ny tahan’ny herisetra ara-pananahana. 30% amin’ny ankizy no manambady mialoha ny faha-18 taonany ka ny 40% amin’ny tovovavy 20-24 taona no niroso tamin’ny […]

Hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra : Nisokatra nanomboka omaly ny Tsenabe fivoarana

Nanomboka omaly, haharitra hefarana, ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. “Natao izy ity hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra satria io no sehatra hifanakalozan’ny mpan­dray ny vokatra sy ny mpamokatra ary hihaonan’ny tantsaha sy ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy Rajerison Antoine, […]

INDRAY MIJERY

Halefaka ny tsiokan’ny varatraza ato anatin’ny telo andro sy ny fiafaran’ny herinandro. Varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona any Avaratra atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hiverina ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka Atsinanana. 8- 26°C ny maripana ny maraina ary eo […]

Fitantanana loza sy tandindon-doza : Mifanakalo traikefa i Madagasikara sy i Tchad

Tonga maka traikefa eto amintsika mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny firenena Tsa­dianina. Amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fiaro­vana sivily (DGPC), notarihin’ny tale jeneraliny, Zenab Mahamat Adoum, sy ny mpanolotsaina teknika, ny Lt Co­lonel Gérard RE, ary ireo mpiara-miasa aminy no nanatanterahina izany. Mbola vao roa taona […]