Fiaraha-monina

Fiangonana Rhefi : Hankalaza ny faha-20 taona niorenany

Hankalaza ny jobily faha-20 taona niorenany ny fiangonana Rhefi, izay fiangonana zandriny voasokajy ao anatin’ny Association culturelle. « Hotanterahina amin’ny alakamisy ho avy izao ny fanamarihana manerana an’i Madagasikara fa hisy kosa ny fotoan-dehibe hotronin’ny fiangonana mijoro eto Antananarivo sy ny manodidina, eny Androndrakely », hoy ny filohan’ny fiangonana eto Madagasikara sady […]

Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany

Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara. «Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihi­tsy na daozy iray aza, […]

Madiro Nosy be : Tany 118 ha hanorenana tanàna

Miitatra any Nosy be ny te­tikasan’ny fanjakana tanterahin’ny SENVH. Fananga­na­­na tanàna vaovao ho trano fonenan’ny mponina izany. Tany mirefy 118 ha no hanorenana izany tanàna izany any Nosy Be, araka ny nampahafantarina ny mponina, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fidinan’ny filoham-pirenena tany an-toerana. Toeram-ponenana tsara rafitra, misy ny fotodrafitasa […]

INDRAY MIJERY

Ny taranja lomano no nisantarana ny adina ara-panatanjahantena bakalorea, eto Analamanga, ny sabotsy teo. Mpiadina 800 no nisafidy izany taranja izany. Hanomboka ny 10 jona hatramin’ny 20 jona ny adina ara-panatanjahantena amin’ny taranja hafa ho an’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avara­drano ary Ambohidratrimo. Nahavelom-bolo ny mpianatra any Nosy Be ny fampanantenana nataon’ny […]

COUSP: Manamafy ny famaliana ny krizy ara-pahasalamana i Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tao Vakinankaratra, izay nifarana ny fiandohan’ny volana mey teo. Mamarana ny fihodinana nasionaly voalohany amin’ny fanatsarana ny COUSP isam-paritra na ny foibem-paritry ny vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka izany. Manamafy ny sehatra ara-pahasalamana i Madagasikara ka na­nohy ny fananganana ivontoeram-piasana vonjy taitra mom­ba ny fahasalamam-bahoaka. Hetsika […]