Fiaraha-monina

« Université d’été » : Haharitra hadimiana ny ao Fianarantsoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Amphithéâtre EMIT, ny « université d’été » andiany faharoa, izay haharitra dimy andro ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Hisy ny atrikasa fanadihadiana ny fampiasana sarin-tany mandritra io fotoana io, mivoy ny lohahevitra : « L’intelligence artificielle au cœur de l’analyse géospatiale […]

Tetikasa “Inser jeune” : Hampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa

Firenena 16 aty Afrika no efa nampiharana ny “Inser jeune”, ankehitriny. Vita ny famolavolana izany ho an’i Madagasikara. Hihodina izany manomboka izao. Efa vita ny andrana tao anatin’ny taona maromaro. Telo taona no namolavolana ny rindrambaiko niomerika “Inser jeune” niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Organisation […]

Fiarovana tanàna sy fialamboly: maro ny mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana

Mirona amin’ny fiom­piana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Ma­la­gasy amin’ izao fotoana. Mia­vaka amin’ny ali­ka hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana. “Miha mitombo hatrany ny olona tia mi­ompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, […]

WMG: nanampy ireo ankizy voan’ny homamiadana

Nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy voan’ny aretina homamiadana, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), ny zoma lasa teo. Voalohan-daharan’ny fikambanana ny hanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana. Ta­min’ity, nitodika manokana tany amin’ireo ankizy marary vo­an’ny aretina homamiadana ny hetsika nataon’izy ireo. Voa­kasaik’izany indrindra ireo sahirana […]

Papa Leon XIV: “Mbola maro ny fifandirana”

Notanterahina ny alahady teo ny fankalazana manetriketrika ny sorona Masina fametrahana an’i Papa Léon XIV amin’ny toerany. Natao tao amin’ny Kianjan’i Md Piera izany. Niatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’izany. “Mbola maro ny fifandirana, ny ratra vokatry ny fankahalana, herisetra, […]