Nanatanteraka atrikasa fanavaozana (atelier de reforme) tetsy amin’ny Kianja Cnaps Vontovorona ny sekoly ambony tsy miankina ES.DES, ny alakamisy lasa teo. Atrikasa nahafahana nampihaona ireo mpampianatra rehetra eo anivon’ny sekoly sy ireo tomponandraikitra 20 any amin’ny faritra. « Kihon-dalana lehibe ahafahana mitodika sy hametrahana paikady entina miatrika ny 10 taona manaraka izao», […]
Fiaraha-monina
Voadika amin’ny teny malagasy: boky masina Korany 5 000 nozaraina
Natomboka ny faran’ny herinandro teo, teny Ankasina, ny fizarana ny boky masina Korany nadika amin’ny teny malagasy. Roa taona ny faharetan’ny asa fandikana, niarahan’ny tanora sy ny fikambanan’ny mpanabe silamo eto Madagasikara (APMM) ary ny foundation islamique Ansaar de l’Angleterra sy ny Organisation international pour la science et de la […]
Fikambanam-behivavy ao Toliara: nahazo tohana avy amin’ny filohan’ny Repoblika
Samy nahazo ny anjarany avokoa ny tokantrano marefo sy ny mpianatra ary ny fikambanam-behivavy ao Toliara. Notoloran’ny filohan’ny Repoblika fanampiana izy ireo. Nitohy tao amin’ny Kianja Maître Kira Toliara ny fizarana Vary tsinjo nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny izay niompana manokana ho an’ireo fianakaviana marefo, ny faran’ny […]
Eto an-drenivohitra: 45 ireo zaza nitsoaka
Nihamaro isa ny filazana zaza very sy ombay mitady eny anivon’ny tambajotran-tsosialy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 45 ny isan’ny ankizy mitsoaka sy mandositra ny tranon-dray aman-dreniny teto an-drenivohitra, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena. 29 ny vehivavy amin’izy ireo, raha 16 ny lehilahy. Tandrevaky […]
Tafika ana habakabaka : Nankasitrahana ireo nahavitabe
Nankalazaina teny amin’ny toby famaharan’ny Tafika ana habakabaka Ivato (Escadron Hélicoptère), omaly, ny faha 64 taona ny Tafika ana habakabaka. Lanonana teo ambany fiahian’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Rakotoarivelo Deramasinjakana Manantsoa, notronin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly […]





