Nitsidika ny distrikan’i Morombe, nandritra ny herinandro, ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampiarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy. Ao anatin’ izany ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpiray ombon’antoka samihafa sy ny mpanohana teknika. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana […]
Fiaraha-monina
Fahasalamam-bahoaka: Nisitraka fitaovana avy amin’ny Rosianina
Nanolotra laboratoara ahafahana mamantatra manokana ireo karazana tsimokaretina sy valanaretina, teny amin’ny LA2M Androhibe, ny solontenan’ny firenena rosianina, omaly. Miavaka io laboratoara io noho izy anaty fiara ka afaka entina mitety toerana maro. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, manampy ny mpitsabo mpikaroka amin’ny fitiliana ireo santionan’aretina mandringana toy ny Ebola, ny […]
INDRAY MIJERY
Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana indraindray any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy kosa aorian’izay. Hisy orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatramin’ny zoma. Hisy […]
Sehatry ny fizahantany : Niofana ireo mpanombantombana amin’ny VAE
Notanterahina nandritra ny roa andro, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiofanana ho an’ireo mpanombantombana (Evaluateurs) en Validation des Acquis de l’Expérience (VAE). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny direction des evaluations professionnelles et de […]
Young Leaders 2025: Nisongadina ny Dr Domoina ao amin’ny CUA
Anisan’ireo tanora 30 voafantina tamin’ireo 6 000 nisongadina tamin’ny “Youg Leaders 2025”, araka ny nambaran’ny French African Fondation, ny Dr Domoina, izay avy ao amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sangany amin’ny fomba fitarihana feno fanoloran-tena izy. Nampisongadina azy indrindra ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny sehatry ny fahadiovana, fanentanana, […]





