Noraisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Inspecteur général de police, Rakotoarimanana Herilala, omaly, ny talen’ny OIM (rantsan’ny firenena mikambana misahana ny fifindra-monina), Frantz Celestin. Marihina fa misahana ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika ity rantsan’ny firenena mikambana ity. Nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampon’ny COI natao teto Madagasikara ihany koa ny […]
Fiaraha-monina
Sarinady iraisam-pirenena – Tulipe 2025: Hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina
Nifarana ny fanazarantena iraisam-pirenena notanterahina tao Mahajanga « Tulipe 2025 » nandraisan’ny firenena dimy anjara : Madagasikara, Seychelles, Maurice, La Réunion izay naharitra dimy andro izany. Famintinana ny fandraisana anjara ho an’ireo solontena isaky ny sehatra no nisantarana ny andro famaranana omaly, notarihin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa […]
INDRAY MIJERY
Ampiasana hiarovana fambolena sy zavamaniry amin’ny velaran-tany 5 ha amin’ny valala ny fanafody 1l. Fanafody fiadiana mivantana amin’ny valala mirefy 400 l no nampiasaina hikarakarana velaran-tany 400 ha amin’izao volana avrily ka hatramin’ny mey. Maniry ny hampiasana angidimby amin’ny famonoana valala ny teknisianina any ifotony. Efa nivoaka ny tetiandro fizarana […]
Fivoahana ivelan’ny sekoly : Misy toromarika mila arahin’ny mpitantana
Taorian’ny famoizana aina mpianatra dimy avy amin’ny Lycée Manjakandriana tamin’ity herinandro ity, tany Mahajanga, nandritra ny fivoahana nokarakarain’ny sekoly. Mampatsiahy ny tomponandraikitra fa efa namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 12 septambra 2024. Momba ny fiahiana ireo mpianatra mandritra ny fivoahana ny faritry ny sekoly, izay karakarain’ny mpitantana manoloana ny […]
Hopitaly Analakininina Toamasina: Miakatra fitsarana izay maka sary atao porofo
Nampahatsiahy ny lalàna laharana faha-2020-006 ao amin’ny andininy faha-7 tamin’ny 1 septambra 2020 ny hopitaly Analakininina Toamasina, mahakasika ny tsy fahazoan-dalana maka sary eny amin’ny hopitaly. Namoaka naoty fampahatsiahivana mihitsy ity hopitaly ity amin’ny fandrarana izany. Tsy azo atao ny maka sary na horonantsary ao amin’ny faritry ny hopitaly na […]





