Fiaraha-monina

Nivadika tany ambany tetezana: mpamily taksiborosy sy mpandeha roa naratra mafy

Nivadika tampoka tany ambany tetezana, naratra mafy vokatry ny fivadihan’ny fiara taksiborosy ny mpamily iray sy ny mpandeha roa tao amin’ny tetezan’i Bikirajibe, kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mampitohy an’i Port-Berger sy Mandritsara, nitondra mpandeha maromaro ity fiarabe ity. Kinanjo, nivadika tampoka ny fiara teo amin’io tetezana […]

Fiatrehana ny fetin’ny Noely: notoloran’ny Arema vary ny eny ambany tanàna

Nanolotra vary hoentina miatrika ny fetin’ny Noely teny Andavamba ny Arema. Nitarika izany teny an-toerana ny sekretera nasionaly (SN), Ratsiraka Annick. Nambarany fa fanatanterahana ny fahendrena napetraky ny amiraly Ratsiraka ny hetsika tahaka izao. Fijerena ny sokajin’olona rehetra, araka ny nambarany. Anisan’ny nisitrika izany ireo mpandray anjara tamin’ny asa tanamaro […]

DCSSM: mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila nahavita fiofanana

Miisa 200 indray ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila nahavita fiofanana teny amin’ny DCSSM. Hiantsehatra avy hatrany izy ireo amin’ireo ambana mety hiseho eto amin’ny firenena… Notontosaina teny amin’ny Direction centrale du service de santé militaire (DCSSM), ny famoahana ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila miisa 200, nahavita fiofanana “Certificat technique numéro […]

51 ny tranga vaovao: iray lavon’ny Covid-19

Iray indray no lavon’ny valanarerina Covid-19, ny herinandron’ny 17 ka hatramin’ny 23 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 51 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 717.  Mahatratra117 ny olona marary amin’izao fotoana izao ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga sarotra avokoa. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny […]