Fiaraha-monina

Madio vetivety ny tanàna: mifarimbona amin’ny fandraofana ny fako ny faritra sy ny CUA

Nadio tao anatin’ny fotoana fohy ny fako be nisavovona tamin’ireo toerana maromaro. Mifanolo-tanana amin’ny CUA ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Rano, fidiovana ary fahadiovana. Fitaovana maro no ampiasaina hanatanterahana izany. Afaka andro vitsy dia hiverina amin’ny laoniny ny fanalana ny fako ary hadio ny tanàna raha ny fanambin’ny kaominina […]

Toetr’andro : hitohy ny erika eto Antananarivo

Mbola mandrafitra ny toetry ny andro ho an’ny anio sy rahampitso eto Antananarivo, ny vokatry ny varatraza mitondra erika madinika manify toy ny volon’andro ririnina ho an’ny ilany atsinanana rehetra ny tapany maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny Meteo. Hahazo orana tandrifin-drahona kosa ny ilany andrefan’Anta­nanarivo anio hariva. Rahampitso maraina, hahazo […]

Fitakiana : manohana ny “normaliens” ny Seces Tana kanefa…

« Ekena ny zo hanao fitokonana nefa izany tsy tokony hanohintohina ny fampandehanana ny asam-bahoaka sy ny tombontsoa fototry ny firenena ary ny fepetra hafa ampiasaina io zo io, sady feran’ny lalàna », hoy ny fanambaran’ny mpikambana amin’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, oma­ly. Manohana ny fitakian’ny « normaliens » ny zo sy hasin’izy ireo […]

Sekolim-pinoana ao anatin’ny FFKM: marary ka mila fansitranana ny sehatry ny fanabeazana

Miray feo ireo sekolim-pinoana ao amin’ny sehatry ny FFKM fa marary ny sehatry ny fanabeazana. Anisan’izany ny tsy fahatomombanana. Mitondra soso-kevitra koa anefa izy ireo, manoloana izany. Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Kolejy teolojika Ivato, hanarenana ny sehatry ny fanabeazana ny sampan’asa fanabeazana ao anatin’ny Fiombo­nan’ny Fiangonana Kristiani­na eto Madagasikara (FFKM), […]

Ambatondrazaka : nanaovana adisisika ny tazomoka

Nisy fivoriana adisisika nataon’ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Tanjona ny hampitombo hatrany ny fahamailoana amin’ny trangana tazomoka sy ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra eny ifotony amin’ny ady amin’ity aretina ity. Ny mampiavaka ny faritra, izay anisan’ny antony mampiakatra ny tazomoka dia izy betsaka tanimbary, misy ny […]