Araka ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ambohidahy, hotanterahina ny 10 mey ho avy izao ny fifaninanana ho an’ireo orinasa an-gazety, “Inter –Media 2025”. Hiavaka ity andiany fahatelo ity, hiampy ny taranja tsipy kanetibe ny lalao hifaninanana, raha toa ka mbola eo ihany koa ny baolina kitra ho […]
Fiaraha-monina
Lalao ara-pirahalahiana : Hifandona ny kalaza fahiny sy ny olo-malaza malagasy
Raikitra ihany izy ity. Hifandona etsy Mahamasina, anio, ireo mpilalao baolina kitra malaza fahiny tany ivelany sy ny olo-malaza malagasy. Natao hitadiavana vola hanamboarana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto Madagasikara ity hetsika ity. Hotanterahina anio, eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Madagascar 2025”, izay hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo […]
Drone natolotra ny mpamonjy voina : Manampy amin’ny fitsirihana ny voina
Nisitraka drones miisa valo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, Entraide protection civile internationale (EPCI) ny vondron’ ny mpamonjy voina. 10 ireo mpiofana hifehezana ny fampiasana ireo fitaovana ireo, nandritra ny dimy andro, ka notolorana mari-piofanana tetsy Tsaralalàna, omaly. «Tena ilaina ny fampiasana ny drone amin’ny famonjena voina satria ahafahana mitsirika ny toerana […]
Ivontoeram-pitsaboana: Tafapetraka ny vato fototra ao Ambodisaina
Tafapetraka ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Ambodisaina, ny fotodrafitrasa ho an’ny fahasalamam-bahoaka na tobim-pahasalamana fototra CSB2 ho an’ny kaominina Toamasina faharoa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy tsy miankina tamin’ny alalan’ny vondrona Atlatic, izay miara-miasa amin’ny sampana banky Madagasikara sy ny orinasa mpamokatra simenitra, Societe cimenterie de Madagacar, no niara-misalahy […]
JCI Madagascar : Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo tanora mpandraharaha
« Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny tanora satria ny tanora rahateo no hoavin’ny firenena indrindra eo amin’ ny lafiny fandraharahana », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo, Gil Razafintsalama (CCIA). Tontosa teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Analakely, ny alakamisy lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa […]





