Fiaraha-monina

Fahazoana vatsim-pianarana : 27 mianadahy ireo mpianatra ho any Sina

Hanainga ato ho ato ireo Malagasy mpianatra 27 mianadahy handranto fianarana any Chine. Nisafidy lalam-piofanana maro izy ireo. Hiverina an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana. Nampahafantarina oma­ly, teny Ivato, ireo tanora 27 mianadahy hanohy fianarana any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Hanainga ato ho ato izy ireo ary hiparitaka amin’ireo oniversite 23 […]

Fampananan’asa ny tanora : napetraka ny fandaharanasa lasitra

Natao, omaly, ny atrikasa momba ny fandaharanasa lasitra ho fampananan’asa sy fandraharahana ho an’ny tanora eto amintsika. Nia­rahan’ny fanjakana malagasy sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) teny Anosy, izany. Nanotrona tao koa ny sendikàn’ny mpiasa sy ny mpandraharaha eto amintsika. Tanjona ny hijery ny olana tsy ahazoan’ny […]

Fampianarana mitory teny : mitsangana ny sekoly The 3M Preach Institute

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny toeram-pampianarana mitory teny The 3M Preaching Institute, etsy Ambatoroka. Sekoly ambony mampiofana olon-tsotra na mpitandrina na ireo te handalina ny Baiboly hitory teny ity vao nisokatra ity. 2 taona ny faharetan’ny fampianarana ary efa mahatratra 22 ireo mpianatra mandranto fianarana ao, amin’izao andiany voalohany […]

Fampianarana ambony : nanidy vavahady ny Seces, hihamafy ny fitakiana

Antso an’efitra ihany ny an’ny Seces, sampana Antananarivo hatramin’izao. Hihamafy hatrany ny hetsi-pitakiana. Nanakatona vavahady izy ireo, omaly. Naneho tsy fankasitrahana ny Seces sampana Antananarivo, omaly, ka nanomboka nanidy vavahady nandritra ny ora iray. Napetraka ihany koa ny sora-baventy milaza fa ny oniversite sy ny foibem-pikarohana dia mitokona. Manao zinona […]

Boriborintany II : hahazo tolotra ara-pahasalamana marolafy ny mponina

Hotanterahina eny amin’ny boriborintany faharoa, ao amin’ ny tany malalaka manoloana ny fokontany Andohaniman­dro­se­za, ny hetsika ara-pahasalamana eny an-toerana. Ny 22 ka hatramin’ny 25 aogositra izao no hanatanterahana izany. Hetsika karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra, amin’ny alalan’ny departemanta misahana ny fahasalamana. Tanjona ny hanolorana karazana tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an’ny vahoaka […]