Fiaraha-monina

Alaotra Mangoro: Zokiolona 700 nahazo fanampiana

Nitondra tantsoroka, nahitana vary sy menaka ary lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 700, ny minisitry ny Mponi­na sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ireo mpiara-mi­asa aminy nandritra ny fandalovany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Zokiolona miisa 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 tao Andilamena. Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana […]

INDRAY MIJERY

Hitohy hatrany ny fijerena ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mahakasika ny fanaovana vaksiny. Ezaka iray lehibe natomboky ny filohan’ny Repoblika nanomboka ny taona 2019 ny fanovana ny vata fampangatsiahana fitehirizam-bakisiny handeha amin’ny herin’ny masoandro. Heverina ho tratra anatin’ity enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ny tanjona ka handeha amin’ny herin’ny […]

Faritra andro ratsy: Manambana ny any Atsimo Andrefana

Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an’i Madagasikara. Ny iray mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ary ny faharoa kosa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ity farany izay manambana ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. Mbola mitoetra eto amin’ny Nosy ny ampahan’ny Zone de convergence […]

Fiteny sinoa : Nisokatra ny foibem-panofanana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo eny Tanjombato, ao amin’ny orinasa King Deer Cashmere, ny foibem-piofanana amin’ny fiteny sinoa sy ny fahaiza-manao. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny masoivohon’i Sina eto amintsika izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitry […]

Tolotrasa any ivelany : Mila mailo amin’ny endrika famarinana olombelona

Mahaliana tanora maro ny hiasa any ivelany. Tsy mora ny asa any ary mila mitandrina fatratra amin’ny mety ho fivadihan’ny tolotrasa ho fanararaotana na famarinana olombelona. Ihazakazahan’ny tanora, eny fa na ny olon-dehibe aza, ny fandehanana any ivelany hitady ravinahitra. Mikarama amin’ny vola vahiny no tena fanirian’ireo tanora, na ireo […]