Anio alatsinainy hariva no vinavinaina hivoahan’ny petadrindrina mirakitra ny lisitr’ireo mpianatra afa-panadinana bakalorea, ao Toamasina. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina kosa ny fiantsoana ireo mpampianatra hisahana ny fandinihana ny naoty farany ambany ekena amin’ny fahafahana. Nambaran’ny filohan’ny oniversiten’ i Toamasina, ny dokotera Razanakolona Diny fa noho ny haratsin’ny toetr’andro no […]
Fiaraha-monina
Bakalorea : 56,58% ny taham-pahafahana teto Antananarivo
Tao anatin’ny tebiteby no niandrasana ny voka-panadinana bakalorea, ny faran’ny herinandro teo. 56,58% ny taham-pahafahana ho an’ny teto Antananarivo. Tontosa ny sabotsy teo ny famaritana ny naoty farany ambany ho an’ny fanadinana bakalorea na ny (délibération). Nivoaka tamin’ ny fomba ofisialy ny alahady teo kosa ny voka-panadinana ary niparitaka tamin’ireo […]
Hetsika “Mandresy Madagasikara” : hoentina am-bavaka ny firenena
Nanomboka omaly, tany an-tendrombohitra Ambondrombe ny hetsika “Mandresy Madagasikara”, karakarain’ny Vondrom-bavaka dian’ny finoana (Vdfi). Hotanterahina manerana ny faritra 15 eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice izany manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fitondrana am-bavaka ny firenena, indrindra amin’izao vanim-potoana fifidianana izao izy ireo. “Vavaka ho an’ny […]
Minisiteran’ny Fiarovana… : miaramila Amerikanina telo lahy nomena mari-boninahitra
Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, afakomaly, ny lanonana ara-miaramila nanolorana mari-boninahitra ireo tomponandraikitra telo mirahalahy miasa eo anivon’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, no nitarika ny lanonana, notronin’ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikanina, Ann Williams, nisolo tena ny ambarasadaoro. Ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo […]
Tobim-pahasalamana an-tsekoly: ho am-perinasa tanteraka amin’ity taona ity
Efa miparitaka eny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ireo mpitsabo mpanampy hisahana ny fitsaboana ny ankizy eny amin’ny tobim-pahasalamana an-tsekoly, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanaraka fiofanana izy ireo ary nahazo ny fifanarahana arakasa. Efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny fanafody handraisana an-tanana ny tranga mety hiseho amin’ny mpianatra eny an-tsekoly. Raha sanatria tra-doza tampoka na tsy […]