Fiaraha-monina

Fitahirizam-baksiny – USAID Impact : Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 17

Nidina tany Toamasina ny talen’ny USAID vaovao, Mi­chele Russell, nanolotra vata fampangatsiakana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 17 sy efitra voavoatra fitehirizam-baksiny. Nandray izany ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka, Randria­manantany Zely. Amin’ny alalan’ny tetikasa “USAID Im­pact”, izay tanterahin’ny PSI Madagascar no nanolorana ireo fitaovana. Hatramin’ny taona 2018, nahatratra 14 ny générateurs […]

Krismasy : nizarana kilalao ny ankizy ao amin’ny Seba

Ankizy 216 ao amin’ny Akany Fianakaviana miarina na Seba Isotry no nisitraka kilalao avy amin’ny tetikasa Ankizy Krismasy (TAK), omaly, niarahana tamin’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Fanomezana avy amin’ny ankizy any Amerika ireo zaraina amin’ny ankizy eto Madagasikara ireo. Misantatra sahady ny fetin’ny Krismasy ireo […]

Iarahana amin’ny Unesco : Tombanana ny fitaovana enti-mampianatra eny an-tsekoly

Manohana ny firenena aty atsimon’i Afrika ny Agence Française de développement (AFD) hanatsarana ny rafitry ny fanabeazana. Tafiditra amin’izany ny famokarana sy ny fanapariahana ny fitaovana enti-mampianatra ho an’ny ambaratonga roa voalohany. Manao atrikasa fanombanana ireo fitaovana entina mampianatra hanampy ny mpampianatra hampita fahalalana any an-dakilasy, mandritra ny hateloana, eto […]

INDRAY MIJERY

15 mirahavavy niharan’ny herisetra, avy ao amin’ny faritra Diana, notoloran’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa mari-piofanana sy fampitaovana momba ny zaitra avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika rehefa avy niofana nandritra ny dimy andro. Niarahana tamin’ny Brigade féminine de proximité ao Antsiranana ny fiofanana. Tanjona ny ahafahan’izy ireo […]

Governoran’ny faritra Analamanga : Ho avo 2 heny ny asa amin’io taona 2025 io

Nanazava ny governoran’ny faritra Analamanga, Ra­soa­maromaka Hery, fa hatao avo roa heny ny asa amin’io taona 2025 io. Betsaka ny ambim-bolan’ny faritra Ana­lamanga tsy nampiasaina tamin’ity taona ity ka hahafahana mampitombo ny asa miandry. Hanomboka ny volana janoary io ny asa hatao ary tsy hitsahatra mihitsy izany mandritra ny taona. […]