Tetsy amin’ny lisea teknika Tanamakoa, nandritra ny fanadinana Bakalorea, sampana teknika, ny alarobia teo, tao anatin’ny adina Fizika sy Simia no nisian’ny famoahana mpiadina manao satroka ba sy sarondoha manampina sofina. Ny lehiben’ny foibem-panadinana no nandray ny fanapahan-kevitra. Ho an’ ireo nanao satroka ba tsy nahabe resaka fa nanala izany […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana: telo andron’ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra
Ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, andiany faharoa, iarovana amin’ny aretina lefakozatra. Manerana ny Nosy ny hetsika ary hidina isam-baravarana ny mpiasan’ny fahasalamana hanao izany. Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona no hatao vaksiny, hiarovana azy amin’ity areti-mandoza ity. Mitarika amin’ny fahasembanan’ny zaza na mety […]
Fahaiza-mitarika: nofanin’ny CUA ireo fikambanana sy mpivarotra
Nanatanteraka atrikasa fampiofanana momba ny maha olompirenena sy fahaiza-mitarika ara-tsosialy ho an’ireo mpitantana fikambanan’ny mponina sy fikambanan’ny mpivarotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka ny fiofanana ny avy ao Manarintsoa, Andavamamba Anjezika I, AntetezanafovoanyI, Morarano, Mahazoarivo, Ankorondrano Atsinanana, akorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery, 67ha Nord Est, Antohomadinika FAAMI, Andranomanalina Afovoany, Antohomadinika afovoany, […]
Toetr’andro: hangatsiaka ny faran’ ny herinandro
Hidina ny maripana amin’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiakatra tsikelikely izany any amin’ny alatsinainy. Hitohy hatramin’ny rahampitso ihany koa ny fikorontanan’ny toetry ny andro eny an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsinanana iray manontolo, […]
Antsapanana Ambohitrimanjaka: tafarina tanteraka ny fefiloha
Vita tanteraka ny fanarenana ny fefiloha manamorona ny renirano eny Antsapanana Ambohitrimanjaka. Nosahanin’ny tetikasa Produir izany ahafahana miatrika ny taom-pahavaratra izay mahamafy ny tosiky ny rano. Ilaina ny fikojakojana ny fotodrafitrasa vita ary manana anjara amin’izany ny rehetra mba haharetan’izy ireny. Nasiam-panamboarana koa ny fefilohan’i Sisaony havanana eo Ambohimangidy, ny […]