Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Namohoro Iaborano, distrikan’i Farafangana no nanokafana ny taom-pambolen-kazo ho an’ity taona 2025 ity, ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. 5 000 isa ny zana-kazo novolena tamin’izany, hamerenana indray ny fitazomana ny nofon-tany sy hiarovana ireo loharano. Nahitana hazo hintsy, kanely, accacia, baie rose […]
Fiaraha-monina
Bajaj : Tsy tokony handeha amin’ny lalam-pirenena
Nampahatsiahy ny tomponandraikitry ny fitaterana an-tanety mahakasika ny asa fitaterana ataon’ireo kodiaran-telo mitatitra olona sy entana. Araka ny naoty 01/MTM/DGT/DTT, tamin’ny 04/01/2021, manambara fa voarara ny fandehanan’ny fiarakodia kodiaran-telo eny amin’ny lalam-pirenena ivelan’ny tanàna, ny lalana maro mpifamoivoy, lalana fandehanana haingana… Ny naoty 014/MTM/SG/DGTT/DTR, tamin’ny 30/09/2024, milaza fa ny fiarakodia […]
Rivodoza Faida : Mitsahatra ny fampianarana ao Toamasina
Miha manafika ao an-toerana ilay rivodoza Faida. Natsahatra ny fampianarana ao amin’ny Dren Atsinanana manontolo. Ho betsaka ny rotsakorana ka mila miomana amin’izany ny mponina. Namoaka naoty ny prefektora ao Toamasina hampitsaharana ny fampianarana ao an-toerana, ho fiarovana ny ain’ny mpianatra anatin’ny fandalovan’ilay rivodoza Faida. Nivory ny Komitim-paritra mitantana ny […]
INDRAY MIJERY
Nampitandrina ny Meteo Madagasikara fa tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpanjono sy mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Vohemar sy i Mananoro, manomboka rahampitso. Antony izany, ialana amin’ny loza mety aterak’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy tokony hiverina intsony ny tranga tany Atsimo nahavery ireo lakana ninia nanjono. Notokanana […]
Toetr’andro: Hiditra an-tanety rahampitso ilay rivodoza
Efa mampihomana sahady ny fiantraikan’ilay andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tombanana hipaka any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara izy io, rahampitso. Omaly tolakandro, tany amin’ny 730km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay andro ratsy. 55km isan’ora ny rivotra […]





